Actualités

« Tournée Star » volana jolay Nentanina mba tsy hanary tavoahangy plastika fahatany ny mponina


  • Talata 10 Aogositra 2021

Toerana efatra no nampiantrano ny « Tournée STAR » nandritra ny volana Jolay lasa teo. Nanombohana ny hetsika ny tany Sabotsy Namehana ny sabotsy 10 Jolay,

 taorian’izay ny tany Itasy izay notanterahina tamin’ny sabotsy 17 Jolay, avy eo ny sabotsy 24 Jolay tany Imerintsiatosika ary nifarana tany Arivonimamo ny zoma 30 Jolay lasa teo. Natokana ho an’ny Kopakelatra ny tapak’andro marainan’ny hetsika. Nampahafantarina ireo mponina teny amin’ireo toerana efatra ireo ny mahakasika ity tetikasa ity. Nentanina izy ireo hanaja ny tontolo iainany ary hanatitra ireo tavoahangy plastika tsy miasa intsony eny amin’ireo baka fanangonana natokana ho amin’izany tany an-toerana. Tsotra ny fandraisana anjara satria nahazo loka avy hatrany ireo izay nitondra tavoahangy niohatra ny roa. Nahasarika olona ny hetsika santatra notanterahin’ny Kopakelatra ivelan’Antananarivo tamin’ny ankapobenuy. Nihoatra ny 900 isa mantsy ireo nandray anjara. Nahatratra hatramin’ny 16. 000 isa mahery kosa ireo tavoahangy voahangona teny amin’ireo toerana efatra nanaovana ny fanentanana. Mivoaka miandalana ivelan’Antananarivo ny tetikasa Kopakelatra ary tsy ho ela dia hisandrahaka manerana ny Nosy. Ny tolakandro kosa no nifamotoanan’ny THB sy ny mpankafy azy niaraka tamin’ny « Bar mobile ». Ambiansy « Soa ny fiarahantsika » izay efa nahafantarana ny THB hatramin’izay no nampiainana ny mpanjifa izay nalaina nisarika rehefa tonga ny hariva. Tontosa tao anatin’ny fandriampahalemana ny hetsika rehetra.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT