Toto Raharimalala Lydia

> Vonona hampandroso an'i Fandriana


  • Alatsinainy 24 Febroary 2014

Tontosa ny sabotsy 22 febroary 2014 teo, tao Beapombo Fandriana, ny fametrahana tamin'ny fomba ofisialy ny samboady maha solombavambahoaka an’i Toto Raharimalala Lydia, voafidy tao amin'ity Distrika ity.

Fiaraha-mifaly tamin'ny vahoakan'i Fandriana sy fiaraha-misakafo ho an'ireo solontenam-bahoaka avy amin'ny Kaominina 13 nahitana manampahefana maro, Ben'ny tanàna, raiamandreny to teny, zanaka am-pielezana, mpianatra sy ny maro hafa no nentiny nanamarihana izany. Tonga tany Fandriana nampisalotra ny samboady ity solombavambahoaka vehivavy ao Fandriana ity ny filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena misahana ny faritany Fianarantsoa Zafimahatratra Abel notronin-dRamarolahy Albert mpikambana ao amin'ny FFM, solontenan'ny Faritra Amoron'i Mania, lehiben'ny Distrika Fandriana. Nambaran'ny depiote Toto Raharimalala Lydia ny fisaorany ny vahoakan'i Fandriana. Tonga ny fotoana hisian'ny fampandrosoana amin'izay ka naneho ny fahavononany izy hikatsaka ny hahasoa ny mponin'i Fisakàna. Maro ny fampanantenana nataony. Anisan'ny hahazo tombony amin'izany ny fikambanam-behivavy ao Fandriana izay efa nahitany fiaraha-miasa amin'ny ambasady Indiana, ny sehatry ny fananan-tany ary ny herinaratra. Nanafàna ny lanonana tao Fandriana ny mpanakanto Jerry Marcos, nofaranana tamin'ny "bal populaire" izany.

 

 

 

Rado

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT