Nanapa-kevitra ny hampiato ny fitrandrahana solika any Bemolanga ny orinasa frantsay Total amin’ny alalan’ny Total Exploration Madagascar.
Araka ny fanadihadiana nataony mantsy dia lafo loatra ny saran’ny fitrandrahana ary mety tsy hahaleo ny sarany ny vidin’ny vokatra rehefa avy eo. Ilay akora antsoina hoe : «grès bitumineux» moa no tena misy sy efa hita ao Bemolanga, araka ny fitsirihana nataon’ny Total tany an-toerana. Mety hitsimbadika any amin’ny fitrandrahana ny solika mahazatra azo avadika ho gazoala sy lasantsy ity orinasa Frantsay ity, ary mety hifantoka amin’ny fitrandrahana solika ao Tsimiroro Maintirano indray izy ireo, araka ny siosion-dresaka. Ny «huile lourde» indray moa no misy ao Tsimiroro izay ambaran’ireo manampahaizana maneran-tany fa hoavin’ny angovo atsy ho atsy satria efa tena manomboka ho ritra ny solika mahazatra.
Izay eo ihany fa maro ihany koa ireo mieritreritra fa mety misy ambadika politika avy amin’ny Frantsay ihany ity resaka ity satria orinasa reharehan’i Frantsa ny Total ary miparitaka manerana izao tontolo izao, saingy tsy mbola fantatra mazava hoe inona io antony io aloha hatreto. Ao koa ireo milaza fa efa manana olana amin’ny Sinoa eo amin’io fitrandrahana solika io any Tchad ny orinasa Total ka tsy te hampitombo ny olany intsony aty Afrika. Tsy vitsy ihany koa anefa no mieritreritra fa sao dia paik’ady fotsiny ihany mba hahazoany tombontsoa bebe kokoa noho ny voarakitra ao amin’ilay fifanarahana tamin’ny fanjakana Malagasy no anton’izao fanapahan-kevitra izao.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.