Tanora Malagasy miisa 8 no tafiditra ao anatin’ireo “Top 100 Young African Conservation Leaders”,
izay fankasitrahana ho an’ny tanora mpitarika Afrikanina, izay misy akony sy fiantraikany maharitra amin’ny fiarovana sy fitandroana ny tontolo aty Afrika ny asa nataony. Avy amina firenena 37 aty Afrika no nifantenana, ka tafiditra ao anatin’izany izy 8 mianadahy. Ireto avy izy ireo: Faraherijaona Raharimamonjiarivelo avy amin’ny ECCA Youth Volonteering Club Ambohitrarahaba Mpitarika Fikambanana tanora kristianina antsoina hoe ECCA miantsehatra amin’ny fanabeazana, haitarika na Leadership, asa sosialy sy fanabeazana ara-tontolo iainana; Max Fontaine Mpamorona sady Tale Jeneralin’ny Orinasa ara-tsosialy Bôndy misehatra betsaka amin’ny fambolen-kazo; Nantenaina Tahiry Andriamalala Mpitarika ny Madagascar PHE Network miantsoroka betsaka amin’ny fiarovana ny zava-manan’aina sy ny tontolo iainana; Rio Heriniaina avy amin’ny ONG des Guides d’Andasibe mandalina momba ny zavatra manan’aina toy ny gidro; Sarobidy Rakotonarivo avy amin’ny ESSA Forests ahitana tambajotra iraisana amina firenena maro miantsehatra amin’ny tontolo sy ny zava-manan’aina; Tiana Andriamanana avy amin’ny Fanamby Mpiantsehatra amin’ny fiarovana ny zava-boahary; Tojo Raminoharijaona avy amin’ny Media Click miantsehatra amin’ny fiarovana ny tontolo iainana miainga amin’ny fanentanana ireo mpikirakira internet; Vatosoa Rrakotondrazafy Ambadaoron’ireo mpanjono madinika eto Madagasikara, avy amin’ny Tambajotra MIHARI. Ny taona 2020, dia efa niara-miasa amin’ny African Wildlife Foundation Alliance Africaine des YMCA, ny Skoto maneran-tany, ny WWF, izay manentana ny tambajotrana tanora momba ny fiarovana ny tontolo, ka manendry ireo tanora latsaky ny 35 taona handray anjara ao anatin’ny 3 taona ny hetsika fiarovana ny tontolo eo amin’ny fiaraha-monina, sehatra nasionaly, iraisam-pirenena na aty Afrika.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.