Actualités

Tontolon’ny fitsarana Inona no hambaran’ny SMM rahampitso?


  • Alakamisy 08 Septambra 2022

Hotontosaina rahampitso zoma 09 aogositra 2022 manomboka amin’ny 10 ora maraina tsy amin’ny Fitsarana Tampony na ny “Cour Suprême”

Anosy mantsy ny fivoriamben’ny SMM (Sendikan’ny Mpitsara eto Madagasikara). Ny ambangovangom-baovao azo avy ao anatiny no nahafantarana fa fotoana hanapahan'ny mpitsara hevitra ny amin’ izay tokony hatao tamin'ny dingana fangatahana tamin'ny Fanjakana momba ny fanatsarana ny Fitsarana sy ny asan'ny mpitsara io fivoriana io. Ho mafimafy io ny Fivoriamben’ny mpitsara io, ary manerana an'i Madagasikara mihitsy ny fandraisana anjara, raha ny fanamarihana azo. Voaresaka matetika moa ny tontolon’ny fitsarana tato ho ato eo anatrehan’ny trangam-piarahamonina samihafa, ny fitsaram-bahoaka, ny ahiahy amin’ny endriny maro,… Tontolo manahirana ny Fitsarana fa dia ezahana araka izay vita no manatsara azy, hoy ny loharanom-baovao. Isan’ny tena nampitaraina sy nampimenomenona azy ireo matetika ihany koa ny tsindry bokotra samihafa ataon’ny manam-pahefana sy ny mpitondra Fanjakana sasany. Tafiditra ao anatin’izany ny resaka famindrana toerana raha vao mba mijoro amin’ny fahamarinana tsy manaiky tsindry sy fidirana an-tsehatra na “intervention” ataon’ny olona ambony any anaty Fanjakana. Resahina hatrany ny fahaleovantenan’ny fitsarana, saingy misy ny te hanao izany ho teny an-tendromolotra fotsiny, fa tiany holalaovina sy hampiasaina amin’ny tombotsoa amin’ny endriny samihafa, toy ny ara-politika, ara-toekarena,… Miharihary indraindray ny tsy fisian’ny fisaraham-pahefana mazava intsony kanefa tokony hiavaka tsara ny hoe: fahefana mpitsara, fahefana mpanao lalàna, fahefana mpanatanteraka,… Andrasana moa izay mety ho akon’ny Fivoriamben’ny mpitsara rahampitso, fa raha ny loharanom-baovao, dia mety ho henjakenjana ny fanapahan-kevitra horaisin’izy ireo manoloana ny zava-misy sy miseho ankehitriny. Samy miandry izay mety ho akony sy ny andinindininy amin’izay hambaran’ny SMM aorian’ny Fivoriambe izay hataony rahampitso io.

(Sary Tahiry)

Toky R


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Rajoharison Félix na Rainidina
  • Alarobia 13 Mey 2026

"Tsy maintsy esorina

  • Christine Razanamahasoa
  • Alarobia 13 Mey 2026

Notendrena amina andraikitra

  • Raobelina Andry
  • Alarobia 13 Mey 2026

Aza omena ny CENI ny.....

  • FIKAMBANAN'NY BEN'NY TANANA
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mangataka fihaonana tsy misy

  • Raharaha adina an-tsoratra
  • Alarobia 13 Mey 2026

tao amin’ny ENMG «Niaiky ny adisoana

  • Ravelonanosy Solomon Clovis
  • Alarobia 13 Mey 2026

«Zava-dehibe ny

Hijery ny tohiny
FTT