Actualités

Tontolon’ny sarimihetsika Nivondrona anaty sendika «SMS»


  • Alarobia 13 Aprily 2011

Manana rafitra ara-panjakana natao hiaro ny zony ankehitriny ireo mpamorona, mpilalao ary mpamokatra sarimihetsika Malagasy.

Tafatsangana ara-panjakana ny sendika «SMS» na ny Sendikan’ny Matihanin’ny Sarimihetsika malagasy tarihin’i Gerard Razafindrakoto, mpilalao sady mpiara-mamokatra ireo horonantsary vokarin’ny Scoop Digital. Mazava ny tenin’ny filoha tamin’ny fampahafantarana amin’ny fomba ofisialy ny «SMS» dia ny fiarovana ny tontolon’ny sarimihetsika manoloana ny fitsetsefan’ireo mpanao hosoka ny hatsembohan’ireo matihanina amin’ity sehatra ity. Hanitsy izay mivily lalana koa anefa. Miisa 6.000 moa ankehitriny ny isan’ireo mpamokatra, mpanoratra ary mpilalao sarimihetsika sahanin’ity sendika ity izay misokatra amin’ireo mpisehatra mijoro ara-panjakana kanefa mbola any ivelan’ny «SMS».

Mitaky ny fananganana «Brigade spéciale» hisahana ny fanenjehana ireo mpanao hosoka ny sendika ankoatra ny fampiatoana ny fividianana ny «hologramme» apetaka amin’ny kapila. Voalaza mantsy fa mandringa ny fampiharana ilay didim-pitondrana iraisan’ny ministera mitondra ny laharana 31074/2010 noho ny tsy fisian’io «brigade» io. Raha ny resaka «hologramme» indray dia efa neken’ny OMDA ny fampiatoana azy mandra-pitsangan’ny ofisy hisahana ny sarimihetsika. Marihina fa samy nanome toky ny tsy handefitra amin’ireo mpanao piraty na ny polisy na ny zandary tamin’ny alalan’ny jeneraly Ravalomanana Richard izay anisan’ny niatrika ny lanonana fampahafantarana ny sendika omaly.

 
Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT