Actualités

Tontolon’ny haino aman-jery Misy onjampeo manindry ny maridrefy ampiasain’ny ACM


  • Talata 22 Febroary 2011

Tsy hisy ny fanomezana mari-drefy vaovao ho an’ny onjampeo sy fahitalavitra raha tsy efa madio tanteraka ity sehatra ity araka ny nambaran’ny CSCA na Filankevitra ambony misahana ny serasera.

Hamarinana avokoa ny fahazoan-dalana sy fitaovana ampiasain’ireo onjampeo sy fahitalavitra efa misy ankehitriny ka izay ara-dalàna no omena ny «Certificat de conformité». Noraisina izao fepetra izao taorian’ny fizahana ara-teknika natao sy ny fitarainana maro voaray raha ny nambaran’i Augustin Andriamananoro, Tale jeneralin’ny OMERT fa misy amin’ireo onjampeo no manitsaka ny maridrefy ampiasain’ny ACM amin’ny fifamoivoizana ana habakabaka izay ahiana hitera-doza. Fa ankoatra io dia hafody na hakatona koa ireo onjampeo sy fahitalavitra miasa nefa tsy ara-dalàna ny antontan-taratasy eo am-pelatanany.

Raha ny voalazan’i Pilaza Joreh, Sekretera jeneralin’ny Ministeran’ny serasera dia misy amin’ireo orinasa efa nahazo taratasy fampitandremana no minia mbola mihodina ihany ka tsy maintsy hampiharana ny lalàna. Vao omaly maraina no nanaiky hampiato ny fandaharany ny fahitalavitra tsy miankina iray eto an-drenivohitra, hoy izy. Haino aman-jery nahazo taratasy fahazoan-dalana hanao andrana teknika nandritra ny fotoana naha ministry ny serasera an’i Nathalie Rabe avokoa ireto manana olana amin’ny fanjakana ireto. Rehefa vita avokoa ireo fanadiovana rehetra ireo izay vao miroso amin’ny fanokafana ny “appel d’offre” ho an’ireo haino aman-jery vaovao ny CSCA. Na dia tsy nanambara ny isan’ny taratasy voaray aza ireo tompon’andraikitra dia fantatra fa manodidina ny 25 ireo onjampeo sy fahitalavitra namaly ilay “appel d’offre”, araka ny vaovao avy amin’ny teknisianina ao amin’ny ministera.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

  • Fanelezana vaovao
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

tsy marina, heloka an’habaka

  • Livasoa Randriatahinamalala
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

"Depiote miteny aho fa tsy depiote mihinana"

  • FAHALALAN'NY ASA
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

FANAOVAN-GAZETY

  • ZAVA-PISOTRO
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

MAMPATANJAKA VAOVAO

Hijery ny tohiny
FTT