Actualités

Tontolon’ny haino aman-jery Hiditra anaty fifaninanana ny Dream’in TV


  • Alatsinainy 16 Jolay 2012

Nosokafana tamim-pomba ofisialy tao amin’ny Centre de Conférence Internationale na C.C.I Ivato, ny sabotsy 14 jolay lasa teo, ny fahitalavitra «Dream’in».

 Tonga nanome voninahitra sy nanokatra an’io fahitalavitra ireo olo-manan-kaja isan-tsokajiny. Maro ireo artista nandray anjara tamin’ity fotoan-dehibe ity, raha tsy hitanisa afa tsy Anyah, Y-Zit sy ireo mpanakanto nivoaka tamin’ny alalan’ny sehatra fifaninanana toy ny pazzapa. «Nofy lasa tanteraka ny fahitalavitra “Dream’in’”, hoy Raobelina Andry, filoha mpanorina. Io nofy io, hoy ihany izy, no hitondrana ny fandaharana rehetra, hanomezana ny fanampiana sy hitondrana ny soa sy ny tsara ho an’ny mpijery. Nilaza moa izy tao anatin’ny kabariny fa tamin’ny alalan’ny ezaka sy ny herimpo manokana, noho ny fahafantarany ny hetahetan’ireo mpijery, indrindra ireo tanora, no nananganana ity haino aman-jery ity. T

sy fahitalavitra politika, tsy natao hamoizana foto-kevitra fa hanomezana lanja ny kolontsaina ho an’ny tanora sy ny lehibe ary ny ankizikely ny «Dream’in». “Ny hahenika ny rehetra ao anatin’ny «revo» no voiziny”, hoy ihany izy. Fijery vaovao, miavaka amin’ireo fahitalavitra hafa ny fandaharana atolotry ny ekipan’ny “Dream’in”, ary tsy mitovy velively amin’ny fandaharana nisy tao amin’ny fahitalavitra “you” na dia ny 30%-n’ny mpanolotra aza no avy ao. Hatao amin’ny teny malagasy ny 90%-n’ny fandaharana rehetra hatolotra, izay marihina fa tanora avokoa izy ireo, ary hisy “télé-réalité” hivoaka isaky ny roa volana. Hatramin’izao aloha dia ny eto Antananarivo sy ny manodidina ihany no mahazo ity fahitalavitra tsy miankina ity saingy hirarian’izy ireo ny hanenika an’i Madagasikara azy. 

Aina
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT