Tontolon’ny Fitsarana

> Miaiky ireo mpitsara fa nisy tsy nanaja ny asany


  • Alakamisy 31 Oktobra 2013


Niatrika atrikasa 24ora tao Toamasina ny 18 oktobra teo ireo mpitsara nahitana, ireo lehiben’ny fitsarana ambaratonga voalohany sy fitsarana ambony Toamasina sy Antananarivo, nandinihan’izy ireo ny fomba entina hanavotana ny hasin’ny fitsarana Malagasy izay potika tao anatin’ny efa-taona ny tetezamita, ka nahatonga trangan-javatra maro, anisan’ireny ny fitsaram-bahoaka nisesy nanerana ny Nosy. Nambaran’ny Sekretera jeneralin’ny ministeran’ny Fitsarana Atoa Andrianasolonjanahary Jean Emile fa “betsaka ny mpitsara tsy nanaja ny asany ka nanimba ny fahatokisan’ny olona ny Fitsarana ; izay no harenina izao satria natao hieren’ny osa ny Fitsarana, koa tsy azo ekena izany Fitsarana sy mpitsara tsy atokisan’ny olona izany satria antoky ny filaminana, sy tany tan-dalàna ny mpitsara”. Niaiky ireo lehiben’ny fitsarana nandray anjara tamin’ity atrikasa ity fa ilaina ny fanatsarana ny asam-pitsarana, ilaina koa ny fampitoviana ny didy mivoaka amin’ny heloka iray mba tsy hisian’ny mizana tsindrian’ila. Noresahana koa ny fanasaziana tsy misy fanavahana ireo mpitsara manimba ny asam-pitsarana.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • ActualitĂ©s
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT