Tamin’ny taom-pianarana 2008-2009 no saika nampiharina teto Madagasikara ny fanovana ny rafi-pampianarana eny amin’ny ambaratonga fototra, rehefa avy nampahafantarina nandritra ny roa taona ny tsy maintsy hirosoana amin’izany.
Raha tsiahivina moa dia saika nampitomboana ho 7 taona ny fe-potoana hamitan’ny zaza malagasy ny ambaratonga fototra fa tsy 5 tahaka ny nahazatra hatramin’izay. Tsy nofinofin’ny mpitondra io na hoe fanapahan-kevitra noraisina maimaika, fa tena tafiditra indrindra ao amin’ny fanatsarana ny tahan’ny fidirana an-tsekoly any amin’ny ambaratonga fototra. Amin’ny maha fototra azy dia, mamolavola ny maha olona ny maha izy azy ara-pahalalana sy ara-pahaizana ny mpianatra, ny ambaratonga fototra. Nahatsapa ny fitondrana Ravalomanana fa tena maro be ny zavatra tsy mety amin’ny tontolon’ny fampianarana eto Madagasikara ka izay no antony nametrahana ho anisan’ny laharampahamehana ny fanavaozana sy fanatsarana ny rafi-pampianarana. Manaraka ihany koa ny tanjona faharoa ao amin’ny tanjon’ny taona arivo fahatelo (OMD) ity fanovana ny rafi-pampianarana ity. Voalaza ao amin’ny tanjona faharoan’ny OMD mantsy fa tokony handalo any amin’ny ambaratonga fototra avokoa, farafaharatsiny ny rehetra. Ny OMD moa dia ilay tanjona na vina goavana nosoniavina tamin’ny taona 2000 ka nifanekena firenena maro manerantany, anisan’izany i Madagasikara, fa ahena amin’ny ampahany ny fahantrana hatramin’ny taona 2015. Efa tsy afaka mahatratra io tanjona io intsony moa isika noho ny nisian’ny krizy nandritra ny 4 taona teto.
Marihana fa nitombo 1 tapitrisa ny ankizy tafiditra an-tsekoly teny amin’ny ambaratonga fototra teto Madagasikara teo anelanelan’ny 2002 sy 2007 ary tafakatra 96% ny tahan’ny fidirana an-tsekoly tamin’ny 2006. Efa tsapa fa nisy fiovana, nisy fivoarana ny tontolon’ny fampianarana teto, ary mahavelombolo ny hoavy raha nitohy ny ezaka. Indrisy anefa fa potika tanteraka izany rehetra izany ankehitriny, tena miha dondrona ny zaza malagasy, mihena isan-taona ny isan’ny afa-panadinana, manjaka ny risoriso sy ny tsolotra, lasa atao varoboba ny mari-pahaizana ka afaka 20 taona raha tsy misy ny fepetra hentitra raisina dia ny bado sy ny tontakely no hitondra fanjakana eto. Ireo mpanongam-panjakana sy ny mpiara-dia aminy izay mbola mikasa ny hitondra an’i Madagasikara mandritra ny 5 taona manaraka indray, no nahavanon-doza ka nanapotika ny tontolon’ny fampianarana teto. Vitan’ny sasany tsotra izao ny nandoro boky natokana ho fanatsarana ny fampianarana teny ambaratonga fototra. Tsy misy ny hoe tonga lafatra fa efa tena nisy kosa ny ezaka natao teto nanomboka tamin’ny 2002, izay nisy vokatra tsara azo tsapain-tanana, fa nopotehana izany amin’izay angamba tsy ampy fahalalana ny Malagasy ka azon’ny mpanao politika ambakaina foana amin’ny 50 taona manaraka indray !
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.