Actualités

Tontolon’ny asa Manao kabary tsara lahatra fotsiny ny fanjakana


  • Zoma 10 Jona 2016

Tofoky ny kabary tsara lahatra sy ny safo siaka mampandry adrisa ny Vahoaka, hoy ny Sehatra Fanaraha-maso ny Fiainam-pirenena (SeFaFi) tamin’ny fanambarana nataony ny volana jona 2016.

Leon’ny politika miezinezina sy ambony fitetika nefa tsy misy drafitrasa maty paika, na mifanipaka amin’ny zava-misy mihitsy aza ny vahoaka. Miandry asa fanatanterahana mivaingana na dia faran’izay kely fotsiny aza izy, hoy hatrany ny SeFaFi. Nanao fanamarihana momba ny didim-panjakana laharana 2016-265 tamin’ny 15 aprily 2016, manendry ny mpikambana ao amin’ny Governemanta Mahafaly, ihany koa ny SeFaFi fa tsy nanisy resaka akory ny sampandraharaha momba ny asa sy ny lalàna sosialy. Fanadinoana fotsiny ve ? Sa antsirambina ? Sa tsy fahaizana ? Sa mariky ny faniratsirana ? Tsy azo ekena izany, hoy ity Sehatra ity.

Valalanina ny saina

Ny alahady 1 mey 2016, nanamarihana Andro iraisam-pirenena ho an’ny asa, ny minisitry ny asam-panjakana, ny fanavaozana ny fitondrana, ny asa ary ny lalàna sosialy, dia tsy nihambahamba nanambara, tao amin’ny Radio Nasionaly Malagasy, fa « mandeha tsara » ny fifanakalozan-kevitra ara-tsosialy eto Madagasikara, fa ny CNT (Filankevi-Pirenena ho an’ny Asa) dia efa mijoro ary efa am-perinasa nanomboka ny volana janoary 2016. Manontany an’ Andriamatoa Minisitra ny SeFaFi raha azony tanisaina ny didim-pitondrana manendry ny mpikambana ao amin’ny CNT ? Ny tenin’ireo tompon’andraikitra voalohany sy ny mpiara-miombona antoka ara-tsosialy mantsy, hoy ny SeFaFi milaza fa « Tsy mbola am-perinasa ny CNT ary ny Fanjakana dia misandoka ny andrakitra sy ny asan’ny CNT ».

Mampahatsiahy koa ny SeFaFi fa misy Lalàna vaovao mifehy ny fiahiana ara-tsosialy novolavolaina tamin’ny alalan’ny fampandraisana anjara rehefa avy naka hevitra sy niara-nidinika tamin’olona maro be, taona vitsivitsy lasa izay. Tsy mbola natolotry ny Governemanta mba hankatoavin’ny Antenimiera anefa hatramin’izao io lalàna mahasoa ny tontolon’ny asa io, ka tena mahavalalanina ny saina.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • TanĂ nan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT