Tondrozotra

> Roa taona izao, mbola anaty krizy


  • Alarobia 18 Septambra 2013

17 septambra 2011- 17 septambra 2013, feno roa taona katroka omaly talata ny nanasoniavana ny tondrozotra nambara fa hamoahana an’i Madagasikara amin’ny krizy izay efa mandifotra ny 92%-n’ny vahoaka malagasy ankehitriny.

Natao nahoraka ery tamin’izany fotoana fa io no vahaolana tena izy ifanarahan’ny maro an’isa ka hamarana tanteraka ilay tetezamita efa diso lava loatra ho an’ny mpiray tanindrazana na dia nisy ihany aza ireo hery velona tsy nanao rangopohy azy io. Raha tsiahivina kely dia ahitana andininy 45 ity sori-dalana lazaina fa novolavolain’ny SADC ity. 24 volana aty aoriana anefa isika izao dia mbola misy ireo andininy vitsivitsy tsy tanteraka araka ny nifanarahana toy ny fanokafana ireo haino aman-jery izay nakaton’ny FAT, ny fampodiana tsy misy fepetra ireo sesitany, ny famoahana ireo gadra politika. Mbola vary mangatsiaka miandry ireo mpanao sonia sy ny mpanelanelana iraisam-pirenena rahateo ny fampiharana ara-bakiteny ireo andininy ireo ka ho hita eo ihany ny tohiny. Ny zava-misy aloha ankehitriny dia maika tokoa ireo ambara fa mahasolotena ny vahoaka Malagasy amin’ny fanatanterahana ny fifidianana filoham-pirenena izay tohanan’ny sehatra iraisam-pirenena koa, hono. Io mantsy no heverina fa hampilamina amin’izay ny toe-draharaham-pirenena efa mikorontana tanteraka. Asa indray aloha izay havoakan’ny ampitso fa dia iaraha-mahita eo ny fizotrany, eny fa na dia efa tsikaritra izao aza fa manjaka sahady ny tsy fanarahan-dalàna amin’ny fanaovana fampielezan-kevitra mialoha ny fotoana. Ny fepetra tsy maintsy raisina mifanaraka aminy mialoha, mandritra ary aorian’ny fifidianana amin’izay mbola manjavozavo be ihany ankoatra ny olana fampianarana ny olom-pirenena amin’ny fampiasana ny biletà tokana.

Ramano F.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Famindrana mpivarotra
  • Talata 12 Mey 2026

eny amin’ny Petite Vitesse

  • ROVAN' AMBOHIDRATRIMO
  • Talata 12 Mey 2026

Hanomboka tsy ho ela ny

  • Mbola tazonina i Naivo Raholdina
  • Talata 12 Mey 2026

« Afera fangalarana tany maro

  • Filazana fa tsy mahazo
  • Talata 12 Mey 2026

mitsabo tena i Rinah

  • TSENA ETSY AMIN'NY
  • Talata 12 Mey 2026

TETEZAN' AMPASIKA

  • Tontolon’ny fitsarana
  • Talata 12 Mey 2026

Tafapetraka ireo tonia mpampanoa lalàna ambony,

Hijery ny tohiny
FTT