Actualités

Tondro momba ny kolikoly Faha-149 amin’ny 190 i Madagasikara


  • Zoma 29 Janoary 2021

Niakatra eo amin’ny laharana faha-149 maneran-tany amin’ny tondro momba ny

 

 

 


kolikoly 2018 i Madagasikara, araka ny antontan’isa navoakan’ny Transparency International omaly 28 janoary. Niakatra toerana 9 ny firenena Malagasy mitaha amin’ny tamin’ny taona 2019. Teo amin’ny laharana faha-158 amin’ny firenena 190 mantsy isika ny 2019, ary zara raha nahazo naoty 24/100, saingy tsy nifanalavitra tamin’io ny 2020 satria 25/100 na nihatsara aza ny filaharana. Finiavana nentin’ny Filoham-pirenena mahakasika ny Lalàna momba ny ady amin’ny kolikoly (LCC), fisamborana sy fanenjehana ireo tompon’antoka amina kolikoly, fametrahana ny lalàna momba ny fanagiazana ireo harena azo tamin’ny tsy ara-dalàna, fanendrena ireo mpikambana tao anatin’ny CSI sy ny Bianco, fanamelohana voalohany nataon’ny PAC, ary fitoniana ara-politika no voalaza fa antony nihatsaran’ny toerana ho antsika. Na izany aza, mbola lavitra be ny ezaka satria very 13 taona isika amin’ny ady atao amin’ny kolikoly. Tany amin’ny taona 2008, efatra taona taorian’ny nijoroan’ny Bianco i Madagasikara dia teo amin’ny laharana faha-85/180, raha toa ka faha-177 ny taona 2013, ary faha-152 ny 2018. Na somary niakatra aza ny filaharantsika tamin’ity taona ity, dia azo ambara ho nihemotra 100 metatra I Madagasikara, ary nandroso 5 metatra, raha somary atao sarin-teny.

 

Tsara toerana indrindra aty Afrika kosa i Rwanda (54 maneran-tany), Cap Vert (58), Botswana (60), Seychelles (66). Mitana ny laharana voalohany maneran-tany hatrany i Danemark izay nahazo naoty 88/100, ary faharoa manana isa toa azy i Nouvelle Zélande.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

Hijery ny tohiny
FTT