Actualités

Tondra-drano eny Ankadindratombo Mety hisy fanjerana tranon-kisoa sy trano fivoahana


  • Alakamisy 27 Oktobra 2022

Nahitana tondra-drano sahady teny Ankadindratombo sy ny manodidina samy ao anatin’ny kaominina Alasora Avaradrano ny fiandohan’ny herinandro teo.

 Vokatry ny firotsahan’ilay ranon’orana voalohany teto an-drenivohitra iny no nahatonga izany izay nomarihin’ny Ben’ny Randriantsoa Jimmy fa tsy tokony hisy olana mihitsy. Tapitra nanorenan’ireo olona sasany trano kisoa sy trano fivoahana mantsy ny lalan-drano tao anatin’io Fokontany io antony niteraka ilay tondra-drano. Tsy nandry andro tsy nandry alina araka izany ny kaominina nitady vahaolana mifandraika amin’izany toy ny fisokirana ireo tatatra tsentsina… Tsy hijanona hatreo ny hetsika raha araka ny fanazavan’ity Ben’ny tanàna ity hatrany. Mety hisy mihitsy mantsy ny fidinana ifotony hataon’ny kaominina handrava ireo trano kisoa sy trano fivoahana manentsika ireo tatatra eny amin’iny faritra iny ato ho ato. Nomarihin’ity Ben’ny tanàna ity moa fa saika lasibatr’ity tondra-drano ity avokoa ireo Fokontany amin’ny faritra manamorona an’ny By pass ka anisan’ireny ny Fokontany Ankadindratombo, Est Mahazoarivo, Ankazobe, Mandikanamana.
Pati
Legende : Randriantsoa Jimmy, Ben’ny tanànan’ny kaominina Alasora
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Famindrana mpivarotra
  • Talata 12 Mey 2026

eny amin’ny Petite Vitesse

  • ROVAN' AMBOHIDRATRIMO
  • Talata 12 Mey 2026

Hanomboka tsy ho ela ny

  • Mbola tazonina i Naivo Raholdina
  • Talata 12 Mey 2026

« Afera fangalarana tany maro

  • Filazana fa tsy mahazo
  • Talata 12 Mey 2026

mitsabo tena i Rinah

  • TSENA ETSY AMIN'NY
  • Talata 12 Mey 2026

TETEZAN' AMPASIKA

  • Tontolon’ny fitsarana
  • Talata 12 Mey 2026

Tafapetraka ireo tonia mpampanoa lalàna ambony,

Hijery ny tohiny
FTT