Ny tomponandraikim-panjakana ambony, hoy ny mpampianatra mpikaroka momba ny harena voajanahary, Pr Jonah Ratsimbazafy,
dia misy sahy miteny aminay fa tsy mampidi-bola ny harena voajanahary na izany “biodiversité” izany. Teneno amin’ny mpamatsy vola aza izany, hoy ity manam-pahaizana ity, ary aoka I Madagasikara tsy hanatrika sy hanao sonia intsony ireny fifanekena iraisampirenena ireny. Ny volan’olona tiantsika ho raisina ihany nefa kanosa tsy sahy miteny izany. Fantatry ny olona izany, hoy hatrany ity mpampianatra mpikaroka ity. Hita ho mampiverina an-tsaina toe-javatra maro nandalo teto amin’ny firenena, teo amin’ny sehatry ny vakoka misy eto amintsika ity filazana ny harena voajanahary ho tsy mampidi-bola ity. Ny hoe harena voajanahary moa dia adikan’ny frantsay hoe “richesse naturelle” fa andikana azy ankoantran’izay koa ny hoe “patrimoine naturel”, izany hoe, vakoka voajanahary. Toa tsy mahagaga ihany raha tomponandraiki-panjakana ao anatin’izao fitondrana izao, noho izany, no mihevitra ny harena voajanahary na vakoka voajanahary ho tsy mampidi-bola satria dia vitan’izao fitondrana izao ny nikitika atin’ny lapan’I Manjakamiadana sy ny rovan’Antananarivo izay efa isan’ny nosokajian’ny UNESCO ho vakoka iraisampirenena mihitsy nefa dia nasian’izao fitondrana izao vakoka grika sy romanina, izay tsy misy hifandraisany ara-tantara amintsika akory, dia ny “Colisee” tao anatiny. Ny totohabaton’Ambondrona sy Antaninarenina moa dia fotsy rora ry zareo teo anivon’ny Amis du patrimoine tamin’ny tetezamita 2009 fa dia io voafafa io koa ny endrika naha vakoka azy. Dia ho gaga ve isika raha hihena hatrany ny isan’ny mpizahatany voasarika hitsidika ity nosy ity? Raha mpitondra fanjakana ambony tokoa aza moa no sahy milaza fa tsy mitondra na inona na inona eto amin’ny firenena ny harena voajanahary dia tokony hahagaga ve raha tsy hahalala ny maha zava-dehibe izany koa ireo tanora ankehitriny sy vahoaka madinika ary tsy mahay mamaky teny sy manoratra ety ambalambahoaka ety? J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.