Actualités

Tombontsoa ho an’ireo filoha taloha Vesatra ho an’ny vahoaka efa tena sahirana, hoy i Satrobory


  • Alarobia 10 Jolay 2013

Tsy dia azoazon’ny Rév. Satrobory loatra ilay lalŕna fanomezana tombontsoa mihoapampana ireo filoham-pirenena sy ireo filoham-panjakana teo aloha.

Anisan’ny nitsipaka sy tsy nandany an’ilay volavolan-dalàna ny tenako, hoy ny Rév. Andrianalijohn Ndriamanampy Satrobory teny Tsimbazaza, na dia nolanian’ny maro an’isa aza izy io. Ny antony dia tsy te ho tompon’andraikitra amin’ny hoavin’ny taranaka faramandimby sy tsy te hotsarain’ny tantara ny tenako fa vesatra ho an’ny kitapom-bolam-panjakana mbola marefo izany. Mampalahelo ny kajikajy ataon’ny mpitondra ankehitriny amin’ny fanovaovana ny lalàna misy ka raha tokony ho fanomezana fahefana feno ny Praiminisitra Berziky handamina ny rahaharaha no atao dia minisitra marobe no hanaovana lalàna ho lasa filoham-panjakana miaraka.

Vesatra ho an’ny vahoaka 92% efa sahirana izany satria izy ireo ihany no handoa izany rehetra izany, hoy ny Rév. Satrobory. Tsy misy afa-tsy ny dingana ataon’ny FFKM ankehitriny izay fanohizana ny efa nataoko tany aloha amin’ny fampihavanana azy ireo no miseho. Hoporofointsika amin’ireo iraky ny SADC indray fa mahay mihavana ny Malagasy, hoy ny Rév. Satrobory, ary tsy hanavakavaka ara-poko sy fiaviana velively fa Malagasy iray ihany.

 

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • ActualitĂ©s
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT