Actualités

Tombana ao amin’ny Jirama Tsy nisy fepetra hentitra noraisina hatreto


  • Alatsinainy 14 Novambra 2022

Vita omaly ny sabotsy 13 novambra teo ny tomban’ezaka na “entretiens” ampahany voalohany natao tamin'ireo Tale Mpitantana ambony ao amin'ny orina Jirama. Ireto avy ny olona manome naoty

1) ilay Tale tombanan'ezaka, (2) ny Tale Jeneraly, (3) ny CA na Conseil d'administration, (4) ny PCA na “Président du Conseil d'Administration”, ary faha-5 farany ny Ministra. Atambatra ny naotin'izy 5 dia alaina salanisa (moyenne). 30 ireo vita tomban’ezaka tamin'ity ary mbola hitohy amin'ny alatsinainy. 19 ny nahafapo ary mendrika ny ho to hanana mba hahomby misimisy kokoa. 11 no tsy nahazo “moyenne”. Misy amin'ireo ny iverenana dinihana tsara mba hahitana ny toerana mety hahombiazany . Misy amin'ireo mampieritreritra, hoy ny tatitry ny Minisitry ny angovo sy ny akoran’afo Andry Ramaroson. Raha nalaza ary voalaza tany aloha “tsy maintsy hisy ny fanatsaharana ny fiaraha-miasa amin’ireo izay tsy mahafa-po sy tsy mifanentana amin'ny asany araka ny fanambarana. Misy ny hanohy, misy koa ny hanaovana fanadihadiana manokana”,, dia tsy mbola hisy halana na ho voaroaka aloha hatreto, raha ny tombana hatramin’ny sabotsy teo. Tsara ny manamarika fa nisy ny fanambaran’ny sendikan’ny mpiasa ny faran’ny herinandro teo naneho ny tsy fahafaliany eo anatrehan’ny ambaran’izy ireo fa fanalam-baraka amin’ny fanapariahana ny sarin’ireo tompin’andraikitra. Naneho fa tsy olana ny tombana, saingy tsy tokony hitady izay hanilihana sy hotapahan-doha, kanefa ny minisitra no tokony handinin-tena voalohany. Olona 10 amin’ny 30 no hodinihana ny momba azy ireo, ary mety hafindra toerana, raha toa ka 19 no ho voatazona amin’ny toerana. Eo amin’ny 65% ny nahitana vokatra, tokony ho tafaverina, hoy hatrany ny fanamarihana. Ny hoesorina tsy voatery hotapahan-doha, fa mety hodinihina ny fametrahana azy amin’ny toerany mety ahafahany manome vokatra kokoa, hoy ny tompon’andraikitra. Nambaran’ireo mpitantana fa ny orinasa Jirama dia somary demokrasia loatra, somary misy mifampiandriandry, ny mpitarika tsy manana”culture de resultat” kanefa vokatra no andrasan’ny vahoaka. Fehiny, misy ireo mpiasa nahomby ka atosika hahomby kokoa, misy ny ambony kelin’ny “moyenne”, ka ny tanjona dia ny haha tonga lafatra azy. Misy ambany ny naoty, ka mety tsy mety aminy ilay paositra, jerena ny toerana mety kokoa azy.
FITANTANAM-BOLA
Nambara fa hojerena ihany koa ny fitantanana ara-bola. 500 miliara Ar ny “subvention” avy amin’ny Fanjakana nampiasaina tamin’ity taona 2022 ity fotsiny, kanefa io ny vokatra misy eo. Nankaiza daholo ny vola misy eo? Ny tsy azo hadinoina dia tsy eto Antananarivo ihany fa manerana an’I Madagasikara. Hita tao anatin’ny fijerena, fa voatazona teto Antananarivo avokoa ny vola ka hojerena ny fanapariahana azy, hoy ny manam-pahefana.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Famindrana mpivarotra
  • Talata 12 Mey 2026

eny amin’ny Petite Vitesse

  • ROVAN' AMBOHIDRATRIMO
  • Talata 12 Mey 2026

Hanomboka tsy ho ela ny

  • Mbola tazonina i Naivo Raholdina
  • Talata 12 Mey 2026

« Afera fangalarana tany maro

  • Filazana fa tsy mahazo
  • Talata 12 Mey 2026

mitsabo tena i Rinah

  • TSENA ETSY AMIN'NY
  • Talata 12 Mey 2026

TETEZAN' AMPASIKA

  • Tontolon’ny fitsarana
  • Talata 12 Mey 2026

Tafapetraka ireo tonia mpampanoa lalàna ambony,

Hijery ny tohiny
FTT