Actualités

Tom Cruise sy ny namany Handany 1 miliara Ar any amin’ny Nosy Ankao


  • Talata 22 Desambra 2020

Tonga miala sasatra ao amin'ny Nosy Ankao hatry ny alahady lasa teo ilay

 

mpilalao sarimihetsika malaza fantatry ny rehetra amin’ny anarana hoe Thomas Cruise na Tom Cruise. Ny alahady 20 desambra 2020 atoandro no nigadona tao amin'ny seranam-piaramanidina ao Arrachart Antsiranana ny fiaramanidina manokana "jet privé"an'ny kaompania Avejet nitondra azy sy ireo namany miisa folo, miampy helikôptera roa. Avy any :Le Caire Ejipta izy ireo no tonga tao Antsiranana avy eo niazo ny Nosy Ankao. Nandalo fitsirihana ara-pahasalamana avokoa izy ireo teo ampahatongavana tao Antsiranana. Anisan’ireo toerana 5 na “top 5” amin’ireo Nosy an’olon-tsotra mahafinaritra sy mahaliana aty Afrika ny Nosy Ankao, any amin’ny sisiny avaratra atsinanan’i Madagasikara, manana velaran-tany 10km2, ary amin’ny alalan’ny angidim-by amin’ny ankapobeny ny ahafahana makany. Miavaka amin’ny hakanton’ny zava-boahary sy ny torapasika miendrika paradisae kely.

MANDANY 270 000 DOLARA…

Mitentina, 7 alina sy 2 Hetsy Dolara na 1 Miliara sy 26 Tapitrisa Ariary eo raha atotaly ny vola lanin’i Tom Cruise sy ireo olona 09 miaraka aminy mandritra ny fivahinianan’izy ireo ao amin’ny Nosy Ankao ao anatin’ny 9 andro, hoy ny loharanom-baovao. Ny 29 desambra ho avy izao izy ireo no hiala ao an-toerana. Ny andian-tsarimihetsika, “Mission Impossible”, moa no tena nahafantaran’ny maro azy. Isan’ireo nampitolagaga ny mpankafy sarimihitsika koa anefa ny « Top gun », “Né un 4 juillet”, Maverick sy ny hafa marobe. Sokajiana ho anisan’ireo mpilalao sarimihetsika mahay sy manam-bola indrindra i Tom Cruise ary voasokajy ao anatin’ireo lehilahy tsara tarehy indrindra.

Toky R sy J Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT