Actualités

Tolotra hosoka Nidoboka am-ponja ireo mpibizina "décodeur" sy "abonnement"


  • Zoma 16 Desambra 2022

Namoaka fampahafantarana sy fampitandremana ny Minisiteran’ny kolontsaina sy ny serasera omaly 15 desambra 2022 fa fa maha voasazy ny mivarotra sy manjifa ireo tolotra hosoka amin’ny alalan’ny Internet.

Notaterina tao anatin’izany, fa andro vitsivitsy lasa izay dia mpivarotra "décodeur" sy "abonnement" hosoka maromaro teto Antananarivo no voasambotry ny BAP na Brigade Anti-Piratage izay sehatra eo ambany fiahian'io Minisitera io.Efa vita famotorana ary efa natolotra ny fampanoavana izy ireo, ka naiditra am-ponja vonjy maika mandram-piandry ny fitsarana, raha ny tatitra. Mahazo vahana ny fanjifana an'io "abonnement" hosoka io indrindra fa mandritra an'izao fiadiana ny amboara eran-tany amin'ny taranja baolina kitra any Qatar izao, kanefa marihina hatrany fa tsy ara-dalàna izany, ka voarara sy enjehin'ny lalàna Malagasy, hoy hatrany io Departemantam-panjakana io. Voalaza fa tafiditra anatin’ny: Fanitsakitsahana ny fizaka-manana ara-tsaina na «violation de la propriété intellectuelle», Manohintohina ny fandriampahalemana satria afaka mandefa fampielezan-kevitra na “propaganda” mihafatra asa fampihorohoroana na “terroriste”, Manohintohina kolotsaina satria afaka mandefa horonan-tsary mamoafady amin'ny ora tsy voafetra; Manimba ny toe-karena satria mamporisika ny fifaninanana tsy ara-drariny na «concurrence déloyale» amin'ireo mpandraharaha mpanara-dalàna sy mpandoa zo. Nambara fa ireo «décodeur» sy «abonnement» voalaza ireo dia hizaran’ireo mpanao "piratage" ireo fandaharana vokarin’ny mpamokatra sy mpandraharaha ao anatin’ny sehatry ny fahitalavitra, nefa tsy nahazoana alalana avy tamin’izy ireo. Nomarihina fa teknolojia avy any ivelany, tafiditra teto Madagasikara taona vitsivitsy izay ary tena manintona mpanjifa, ity tolotra vaovao tsy manara-dalàna sy mifono halatra ity. Adihevitra lehibe moa ny momba azy ity toy ny hoe: taiza ny manam-pahefana Malagasy tamin’ny fotoana nidiran’izy ireny teto? Misy fepetra azo raisina ve amin’ireo tolotra ara-dalàna izay mamitaka mpanjifa toy ny hoe:efa voafaritra amin’ny vola naloa ny tolotra tokony sitrahana kanefa avy eo tapaka tsy araka izany ireo fahitalavitra anatin’ny tolotra? Manao ahoana ihany koa ireny ny resaka halatra miharihary ataon’ireo “opérateurs” toy ny amin’ny tontolon’ny finday izay efa hatramin’ny solombavambahoaka aza nanokatra fanadihadiana saingy tsy hita ny tohiny?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Famindrana mpivarotra
  • Talata 12 Mey 2026

eny amin’ny Petite Vitesse

  • ROVAN' AMBOHIDRATRIMO
  • Talata 12 Mey 2026

Hanomboka tsy ho ela ny

  • Mbola tazonina i Naivo Raholdina
  • Talata 12 Mey 2026

« Afera fangalarana tany maro

  • Filazana fa tsy mahazo
  • Talata 12 Mey 2026

mitsabo tena i Rinah

  • TSENA ETSY AMIN'NY
  • Talata 12 Mey 2026

TETEZAN' AMPASIKA

  • Tontolon’ny fitsarana
  • Talata 12 Mey 2026

Tafapetraka ireo tonia mpampanoa lalàna ambony,

Hijery ny tohiny
FTT