Tonga nanatitra ny fitia tsy mba hetra ho fanampiana ireo Malagasy izay traboina noho ny fikaran’ny rano teny amin’ny Biraom-pirenena misahana ny loza sy ny tandindon-doza na ny BNRGC ny Antoko Arema ny sabotsy 29
janoary 2022 teo, tamin’ny alalan’ny Sekretera Nasionaliny Ramatoa Annick Ratsiraka sy ny mpikambana ao amin’ny comité directeur. Kolontsaina ao anatin’ny antoko ary kolotsaina Malagasy ny fitondrana izay voatsirambin’ny tanana tahaka izao, hoy Ramatoa sekretera nasionaly. Vary taonina iray sy vaomaina 500 kg no natolotry ny Arema nandritra izany. Tsy ho vitan’ny antoko, hoy izy ireo, ny hanatitra fanampiana isan-tokatrano fa ny BNGRC no omena andraikitra hitondra ireo fanampiana ireo any amin’izay tena mila azy. Maneho izany ny Arema, fa antoko mandray andraikitra araka izay tandrify azy, antoko velona sy miaina na efa tsy eo intsony aza ny Filoha mpanorina. Tsetsetsatsa tsy aritra no hilazana fa feno 84 taona katroka omaly 30 janoary Rtoa Céline Ratsiraka vady navelan’Itompokolahy Didier Ratsiraka, Filoha mpanorina ny Arema sady Filoham-pirenena teo aloha.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.