Actualités

Tolo-tanana ho an-dRambelo Hitohy hatramin’ny zoma ho avy izao


  • Alakamisy 21 Aprily 2022

Mbola ao anatin’ny tsy fahasalamana tanteraka ny namana mpanao gazety Ony Rambelo. Raha araka ny fantatra dia mahatsiaro tena izy indraindray nefa tsy mahatsiaro tena tampoka ihany koa indraindray.

Miara-mizaka izany tsy fahasalaman’i Ony Rambelo izany amin’ny fianakaviany ny mpanao gazety namana rehetra ka taorian’ilay fanombohana ny fangatahana tolo-tanana ho an’ny azy omaly tetsy amin’ny trano fisakafoanana Au Bon Accueil Ambatonakanga dia hotohizana hatramin’ny Zoma ho avy izao izany. Betsaka tamin’ireo mpanao gazety mantsy no mbola tsy nahavita nanolotra izay azony natao omaly raha araka ny fanazavan’ny filohan’ny fikambanan’ny tanora mpanao gazety eto Madagasikara na ny AJJM. Ezahin’ireo mbola tsy tonga omaly araka izany ny handalo eny an-toerana hatramin’ny Zoma ho avy izao hahafahana mividy fanafody sy ranom-boankazo ho an’i Ony Rambelo. Avy hatrany dia hatontona any amin’ireo fianakaviany moa izay vola voaangona rehetra na avy amin’ny namana mpanao gazety izany na avy amin’ny olon-tsotra. Marihina fa nisy ihany koa ireo olon-tsotra mahafantatra an’i Ony Rambelo omaly no tonga nanolotra izay vokatry ny fony tetsy amin’ny trano fisakafoanana Au bon accueil Ambatonakanga.
Pati
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT