Tokony ho natao omaly alatsinainy ny fandinihana sy fandaniana io volavolana tolo-pehin-kevitra momba ny fanondranana volamena antsokosoko,
saingy mihemotra ho amin’ny daty mbola tsy fantatra indray. Nambaran’ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena Rtoa Christine Razanamahasoa, fa tsy mbola nandalo kaomisionina akory io dosie io, ka izay no antony tsy ahafahan’ny parlemanta mandray fanapahan-kevitra. Tao amin’ny pejy Facebook-ny no nanambaran’ny Antenimieram-pirenena, fa nahemotra ny fandinihana ny tolo-pehin-kevitra izay natolotry ny Solombavambahoaka Mohamad Ahmad noho ny tsy mbola maha eto an-toerana ny tenany sy mba hahafahana mamakafaka izany maharitra kokoa satria raharaha lehibe ny ady amin’ny fanondranana volamena an-tsokosoko. Tsy vao izao no nihemotra io, fa toa efa mahazatra. Raha tsiahivina, dia efa nisy ny karazana ampamoaka nataon’ny Depiote Mpanohitra tany amin’ny janoary-febroary, fa misy ny solombavambahoaka tafiditra ao anatin’ny raharaha trafikana volamena, saingy navotsotra noho ny maha olom-boafidy azy. Voatondro ho mpiray tendro amin’ny karana sy efa malaza amin’ny resaka trafika. Asa na misy hifandrifiany amin’izany ity fihemorana lava momba eo anivon’ny antenimieram-pirenena ity na mba kisendrasendra ihany ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.