Actualités

Toliara Zana-tsokatra 643 tratra, efa-dahy voasambotra


  • Sabotsy 30 Jolay 2016

Nikoropaka vao maraina ny tany Toliara omaly raha nandre fa misy fiara 4x4 miloko manga antitra nitondra sokatra an-jatony maro niala vao mangirandratsy tamin’ny 1ora maraina tao Soamagnitse.

Nihetsika avokoa na polisy na zandary ankoatra ny avy amin’ny sampandraharaham-paritry ny tontolo iainana Atsimo Andrefana. Nohamafisina ny fisavana isaky ny kihon-dalana mivoaka sy miditra an’i Toliara. Nahitam-bokatra izany ka sarona ilay fiara sy ny efa-dahy niaraka taminy. Zana-tsokatra niisa 643, nafenina tao anaty gony maromaro, no tratra. Efa maty ny 5 tamin’ireo tamin’ny fotoana nahitana azy. Mandeha ny fanadihadiana hamantarana ny manodidina ity trafikana biby arovana tsy manam-pitsaharana ity.

Jean D.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tanànan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT