Naiditra am-ponja vonjimaika ao amin’ny fonjaben’i Toliara ilay lehilahy nanolana
ka nahafaty zazakely tsy manan-tsiny vao 2 taona monja tany Toliara ny herinandro lasa teo. Ny 27 novambra lasa teo ihany mantsy dia efa tratran’ny polisy misahana ny zaza tsy ampy taona tao Andabiazy ny anaolahy raha ny 26 Novambra no nitrangan’ity zava-doza ity. Tsiahivina moa fa nanankinan’ny Ray aman-dReniny ity zaza namoy ny ainy ity io lehilahy nanolana azy io. Mbola tany amin’ny hopitaly rahateo io reniny io tamin’ny fotoana nitrangan’ity habibiana ity. Efa maka saina any am-ponja ity lehilahy ity ankehitriny.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.