Actualités

Toliara Mirongatra ny asan -jiolahy sy fivarotan-tenan’ny ankizy


  • Alatsinainy 29 Jolay 2013

Na dia miezaka manao izay tratry ny ainy sy ny heriny ireo mpitandro filaminana, tsy ampy isa sy fitaovana, dia ho zava-poana izany raha tsy ny vahoaka mihitsy no miara-mientana, hoy ny Commissaire Central, Lebiria Tolojara Rufin.

Zavatra telo loha, hoy ity manamboninahitry ny polisy ity, no antony sy anisan’ny mampirongatra ny asa ratsin’ny jiolahy ao Toliara dia ny fahantrana, tanàna maizina tsy misy jiro mirehitra amin’ny alina ary ny tsy fitandremana. Nambaran’ny Kaomisera Rufin, fa nihena ny asan-jiolahy tamin’ity taona ity raha noharina tamin’ny taon-dasa iny. 177 ny fitoriana voarain’ny polisy ny enim-bolana voalohany nalefa teny amin’ny fitsarana, ka 87 amin’ireo no voatana vonjimaika any am-ponja sy migadra. Halatra sy vaky trano ary sinto-mahery no mateti-pitranga ao Toliara, raha ny fanazavan’ity kaomisera ity hatrany. Olona telo atidoha sy mpaniraka amin’ireny ankizy tsy ampy taona manao loka amoron-dalana «Mena mahazo» no hosamborina, satria anisan’ny mampirongatra ny sinto-mahery ny fisiany. Hentitra toy izany ihany koa ny hahazo an’ireo mpivarotra volamena amoron-dalàna sy anelakelan-trano. Tsy nisorona ity Kaomisera ity nilaza fa andraisana fepetra sy enjehina foana ireo mpivarotra sy mpifoka rongony, fa ny sazy omen’ny lalàna no malefaka loatra, ka tsy mahafay izay tratra, fa miverina manohy ny asa ratsiny foana.

 

Hentitra

Tsy miraviravy tanana ny avy ao amin’ny polisy sy ny foibem-paritry ny mponina amin’ny fanaraha-maso amin’ny fanenjehana ireo ankizy tsy ampy taona mivoaka alina sy mamonjy ireny toeram-pandihizana, bar, trano fandraisam-bahiny miampy ireo mijorojoro eny amoron-driaka sy ny ao amin’ny «Jardin de la mer». Ny olana, hoy ity Kaomisera ity, rehefa antsoina ny ray aman-drenin’ireo zaza dia milaza fa tsy voafehiny intsony ny zanany noho ny fahasahiranana. Ny tsapa tokoa mantsy dia nirongatra ity asa mamohehatra ity taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Haruna farany teo. Ho hentitra ny polisy amin’ny fampanarahan-dalàna, ka handraisana fepetra manokana ireo «cyclo-pousse» izay mahatonga ny 85%-n’ny lozam-pifamoivoizana mandratra sy mamono olona foana ao Toliara. Soso-kevitra no naroson’ny Kaomisera Rufin ny tokony hampianarina sy hanofanana ireo mpitondra posy mivondrona amina fikambanana fito momba ny lalàn’ny fifamoivizana. «Efa nanolo-tanana tany amin’ny tompon’andraikitra sy ny ao amin’ny fiadidiana ny tanàna izahay, nefa tsy re tsaika intsony ny tohiny. Ny tanjona dia ny mba hampihenana ny lozam-pifamoivoizana eto an-tanàna satria toa samy manao izay saim-pantany», hoy ity kaomisera tanora ity, namarana ny fanazavany.

 

E.R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT