Actualités

Toliara Miparitaka ny trakta manaratsy an’i Edgard


  • Alarobia 10 Aprily 2013

Miely ao Toliara nanomboka omaly ny trakta manao fampitahana ny jeneraly Camille Vital sy Razafindravahy Edgard.

 Misoratra anatin’ireo trakta ireo fa 80% Vital, 15 % Egdard ary 5% vato fotsy. Toa te hilaza ireo mpampiely ireo trakta fa tsy ankasitrahan’i Toliara ny kandidan’ny TGV. Tsy fantatra izany andin’olona ao ambadik’ity raharaha ity fa araka ny antso azo avy amin’ny mponina dia misy ny olona mitsidika isan-tokantrano mandresy lahatra mba tsy hanaiky ny firotsahan’ny PDS-n’Antananarivo amin’ny anaran’ny TGV sy manindraindra fa i “Vital ihany no antsika”. Tsy mety milamina ve izany ny raharahan-tokantranon’ny TGV ? Saika ireo kongresista solontenan’Atsimo Andrefana mantsy no tena niaka-pofona naneho ny tsy fahafaliany tamin’ny vokatry ny latsabato miafina nifidianana ny kandidan’ny antoko tamin’ny sabotsy teo.

Raha izao fizotran’ny raharaha izao dia ho henjana ny miandry an-dRazafindravahy Edgard amin’io fifidianana filoham-pirenena io satria na ny mpiray antoko aminy aza tsy resy lahatra hiara-dia aminy akory. Tsy miandoha akory ny fampielezan-kevitra dia sary ratsy no omen’ny mpanohana ny FAT ny mpifidy amin’ny alalan’ireo ady an-trano sy fifanaratsiana amin’ny onjam-peo samihafa.

 

Yves

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • ActualitĂ©s
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT