Actualités

Toliara Hain-trano vokatry ny «court-circuit» saika handoro tanŕna


  • Zoma 26 Jolay 2013

Afak'omaly hariva tokony ho tamin'ny fito ora dia nitrangana hain-trano nahatsiravina tao Tsimenatse-I Ouest, Toliara. Voalazan’ny tompontrano fa tsy tao an-trano ny tenany tamin'io fotoana io ary avy amin'ny ''court-circuit'' no nahatonga ny loza.

Ny trano efa nirehitra niredareda no nanaitra ny manodidina ka ireto farany no niantso haingana ny mpamonjy voina namono ny afo, nampian'ireo tanora mafana fo teo an-tanàna. Ny indro kely na dia nantsoina ny avy ao amin'ny Jirama hanapaka ny herinatra satria efa nandady tamin'ny tariby ny lelafo dia afaka ora roa vao tonga, nefa tsy lavitra loatra ny toerana. Fa raha tsy nisy tanora iray sahy nanapaka ny tariby nitondra herinaratra na tsy voavonjy haingana ity trano ity dia ny tanàna iray manontolo mihitsy no saika kila forehitra satria mifanakaiky loatra ireo trano. Voatery novakiana ihany koa ilay trano nirehitra mba nahafahana niditra tao. Hatramin'izao ora anoratanay izao dia mbola tapaka ny jiro amin'ity Fokontany ity ary mbola miaina ao anaty tebiteby ny mponina.
An-tapitrisany mahery ny fahasimbana sy ny tentim-bidin'ny entana may, raha ny tombana. Ny nampalahelo dia nisy tamin'ireo olona nitazana no nibata sy nangalatra ireo entana navoaka avy tao an-trano. Nisy ihany koa ireo andian-jatovo nandroba tamin'ireo trano nanodidina ny may satria lasa nitatitra entana nafindra tany an-toeran-kafa ny tompon-trano, na dia niezaka nandamina aza ny polisy. Mandeha amin'izao ny fanadihadiana amin'ny tena antony marina nahatonga an'ity hain-trano ity.

E.R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • ActualitĂ©s
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT