Afa-pahasahiranana ny vahoaka any amin'ny Distrikan'i Morondava, faritra Menabe fa nahazo milina vaovao mpamokatra herinaratra. Mifanohitra tanteraka amin'izany ny zava-misy ao Toliara renivohitra sy any amin'ireo Distrika hafa mandrafitra ny faritra Atsimo Andrefana.
Efa fotoana naharitra no tapatapaka lava. Ny sabotsy 09 aogositra teo izao dia niaina tao anaty haizina ny mponina. Olana ihany koa ny famatsian-drano ny faran’ny herinandro iny. Misy fokontany sasany aza, zara raha mandeha ny paompy. Ny vovo hatsakana anefa sady vitsy no ritra no maloto ny rano. Raha aravona dia mampikaikaika ny vahoaka ny afitsoky ny Jirama ka tokony hojeren'ny tompon'andraikitra akaiky sy haingana ity fahatapahan-jiro lava tsy misy fanafana ity. Ny faktiora tonga eny amin'ny mpanjifa anefa voaloa hatrany isam-bolana, matahotra ho tapaka jiro sy rano. Ny fitaovanan'olona simba noho ny fahatapahan-jiro tsy misy fampiomanana sy delestazy lava nefa tsy asian'ny Jirama “sira” rehefa mitaraina ny mpanjifa. Ny mpanjifa hatrany no iangonan'ny rihitra, miaritra ny tsy fisian-jiro sy miaina ao anaty haizina sy tebiteby lava noho ny tsy fandriampahalemana. Ny alin'ny sabotsy teo izao dia trano roa no nisy namaky tao amin'ny Fokontany Tsimenatse. Lasan'ny jiolahy ny entana sarobidy zakany tao an-trano. Nifindra tamina trano iray hafa tsy dia lavitra loatra toerana notafihan'izy ireo voalohany ireo jiolahy ireto saingy nalaky taitra ny tompon-trano. Vao naheno ny antso vonjin'ny tompontrano ireo mpangalatra dia lasa nitsoaka avy hatrany. Ny olana mateti-pitranga ao Toliara ao anefa raha misy olona miantso vonjy dia vitsy no mivoaka ny trano noho ny tahotra.
E.R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.