Toliara

> Miaina ao anaty haizina tanteraka


  • Sabotsy 15 Martsa 2014

Miaina ao anaty fijaliana sy tebiteby tanteraka ny vahoaka ao Toliara noho ny delestazy toa tsy misy fanafana efa ho tapa-bolana.

Maizina ny tanàna, mirongatra ny asa ratsy. Raha ny omaly, ohatra, dia ora vitsy monja no nisy herinaratra. Araka ny nambaran’ny Jirama izay efa mahazatra ny olona dia nisy fahasimbana indray ny fitaovana ao Andranomena, ka mandravarava ny delestazy mahery vaika sy lavareny mampiteny ny moana. Tamin’ity herinandro ity, misy amin’ireo fokontany sasany ao Toliara, zara raha ampy adiny telo monja no mba mirehitra ny jiro. Manomboka miaka-pofona sy mampiaka-peo ny vahoaka satria toa tsy hita soritra ny fandraisan’andraikitry ny mpitantana ao amin’ny Jirama. Ny fianaran-jaza tsy mandeha, ny asa fivelomana mikatso, ny asan-jiolahy mirongatra, ka inona ny fampandrosoana ho hita amin’izao herinaratra tapaka lava izao ? Aza atao kilalao ny sosialim-bahoaka efa tena latsaka an-katerena sy mijaly tanteraka. « Aza avela hisakoroka ny olona vao hihetsika ny fanjakana amin’ity herinaratra ity, satria fatiantoka 100% ny asa fivelomana ka tsy afa-miaina amin’ny velon-tenany intsony ny olona », hoy ny fanambaran’ ireo mpandraharaha sy mpitondra ara-drazana.

E.R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT