Toliara

> Ifampitadiavana eran’ny tanŕna ny lasantsy


  • Sabotsy 19 Oktobra 2013

Nanomboka afak’omaly dia nifampitadiavana eran’ny tanŕnan’i Toliara ny lasantsy. Filaharambe avokoa no hita amin’ireo toby mpaninjara izany ary voafetra ihany no azon’ireo mpanjifa vidiana.

Mijaly ny vahoaka satria sarotra ny mahita solika ka manjaka ny risoriso. Hatreto aloha dia samy miandry ny famatsiana vaovao izay tsy mbola voafaritra mazava aloha ny daty hisiany. Raha ny nambaran’ireo mpitantana tobin-tsolika dia ny fisian’ny fampielezan-kevitra no tena nampandeha be ny fanjifana, nefa tara ny famatsiana avy amin’ny orinasa mpaninjara, ka ny vahoaka hatrany no iharan’ny rihitra. Na fiara mpitatitra sy an’olon-tsotra io, na moto, indrindra ireo milina hafa mila sy mandeha amin’ny solika toy ny «Groupe électrogène» dia sahirana avokoa amin’izao. Ny ao Toliara moa dia mbola manjaka sy mampiteny ny moana ny fahatapahan-jiro lava.

 

E.R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • ActualitĂ©s
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT