Actualités

Tolagnaro Saika raikitra ny sakoroka


  • Alarobia 30 Janoary 2013

Raha tsy nanelanelana ny filohan’ny federasionan’ny Antenimieran’ny varotra, Chabani Nourdine, dia zava-doza no saika nitranga tao Tolagnaro.

 Vao maraina dia efa tonga, nanao sakana, teo amin’ny tokotaniben’ny Trésor sy Lapan’ny tanàna sady nametraka sakana ireo mpitarika ny hetsika Fagnomba sy ireo vahoaka marobe manana olana amin’ny QMM sy ny lehiben’ny Faritra Anôsy, mitaky ny hialan’ity farany amin’ny toerany. Nilanja sorabaventy ireo vahoaka maneho ny tsy fahafaliany. Tapaka ny fifamoivoizana. Nanao be fiavy saika handrava ny barazy ireo mpitandro ny filaminana. Tsy nihetsika anefa ireo vahoaka izay efa vonona amin’ny vato sy ny kobay ihany koa. Nisy ny fifampihantsiana ary tafiditra afovoany ireo mpitandro ny filaminana. Tao anatin’izany no tonga ny filohan’ny Antenimieran’ny varotra, Chabani Nourdine nanelanelana. Voasoroka ara-potoana ny sakoroka. Re fa tonga eny amin’ny fitsarana ity raharaha ity.

Natiora OTH

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT