Actualités

Tolagnaro Nirotaka ny vahoaka


  • Talata 05 Aprily 2011

Fahatrarana trafikana «bois de rose» no niandohan’ny disadisa, fitakiana ny fialan’ny Lehiben’ny Faritra no niafarany.

Nirotsaka an-dalambe omaly ireo olona miasa eo amin’ny lalam-pihariana hazo, nampian’ny vahoaka maro tao Tolagnaro, nilanja sorabaventy namaky bantsilana ny hosoka avo lenta ao anatin’ity trafikana «bois de rose» ity, izay mahavoatonontonona ireo mpitondra samihafa any an-toerana. Filaharambe namakivaky ny tanàna, niainga tao Antanambao nihazo ny biraon’ny Faritra Anosy ao Bazaribe niaraka tamin’ny sorabaventy mitaky ny fialan’ny Lehiben’ny Faritra no nanehoan’izy ireo ny hatezerany. Nanomboka ny alarobia 30 martsa 2011 lasa teo, tsiahivina ihany, dia nisy ny hetsika nataon’ny ny foloalindahy teo ambany fitarihan’ny Lehiben’ny Faritra Anosy, Ratefiarison Guillaume Venance, nanenjika ireo mpitrandraka ala tsy ara-dalàna. Vokany, bolabola na «bois de rose» mitotaly 115 no tratra tao anatin’ny Kaominina ambanivohitra Manantenina sy Ampasimena.

Olona dimy no voarohirohy tao anatin’izany. Ny Vondron-tobim-paritry ny Zandarimariam-pirenena any Tolagnaro no mitarika ny famotorana. Izay teo ihany fa ny tenin’ny Lehiben’ny Faritra tao amin’ny radio nasionaly mikasika ity “opération” ity, no naharomotra ny olona, ka nilazan’ireto farany fa tsy madio tanana amin’io trafikana hazo sarobidy io ny lehiben’ny Faritra, nefa ny “madinika” hatrany no voaporiporitra ka nahatonga ireo mpitrandraka ala ireto hidina an-dalambe mitaky ny fialany tsy misy hatak’andro. Nidiran’ireto mpitokona ireto hatrany amin’ny biraon’ny Lehiben’ny Faritra mihitsy moa omaly, ka voatery niala nanavotr’aina ity farany. Tsy nisy ny fampiasan-kery na tsy nahitana tamingana mpitandro filaminana aza teny an-toerana omaly mandra-pahariva ny andro.

Mandrak’alina dia mbola vahoaka maro no nitokona teo anoloan’ny biraon’ny Faritra, izay nilaza fa tsy hiala eo izy ireo raha tsy misolo vaovao ny Lehiben’ny Faritra. Ankoatra izay dia mitaky ny mangarahara amin’ny fomba nahazoany fiara 4x4 telo sy ny nampiasana ny tamberim-bidy raisin’ny Faritra avy amin’ny fitrandrahaana fasimainty ataon’ny orinasa QMM ao an-toerana koa ireo vahoaka nitokona, satria dia mikorosy ny tanàna, tapaka efa ho telo andro ny famatsian-drano ao an-tanàna, hatramin’ny 26 martsa no tsy mandeha ny TVM, hoy ny mponina ao an-toerana. Nitatra resa-politika koa moa ny raharaha !

 
Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

  • Fanelezana vaovao
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

tsy marina, heloka an’habaka

  • Livasoa Randriatahinamalala
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

"Depiote miteny aho fa tsy depiote mihinana"

  • FAHALALAN'NY ASA
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

FANAOVAN-GAZETY

  • ZAVA-PISOTRO
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

MAMPATANJAKA VAOVAO

Hijery ny tohiny
FTT