Miteraka resabe ao an-drenivohitry ny Faritra Anôsy amin’izao fotoana izao ny fanapahan-kevitra noraisin’ireo mpitondra any an-toerana ny hanaovana tsipaipaika na fitia tsy mba hetra, hanangonam-bola hoentina hanarenana ireo lalana simba ao an-tanŕna.
Efa nosokafana ny 01 septambra teo izy ity ary tsy hifarana raha tsy amin’ny 30 septambra. Nandefasana kahie avokoa ireo fikambanana miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana any an-toerana, nentanina koa ireo sampandraharaham-panjakana sy ny vahoaka amin’ny alalan’ny haino aman-jery misy ao an-tanàna. Raha ny marina, hoy ireo naneho teto amin’ny Tia Tanindrazana dia vonjy aina amin’ny fisehona loza voajanahary, hain-trano, tondra-drano, kere no anaovana telethon, ka toa fanaovana tsinontsinona ny vahoaka izany fanangonam-bola hanamboaran-dalana izany. Adidin’ny fanjakana madiodio mantsy ny manamboatra lalana. Mba ohatrinona tokoa moa ny vola voaangona mandritry ny iray volana amin’ity fitia tsy mba hetra ity, raha oharina amin’ny vola amina miliara ilaina vao mahavita ny tokony hatao ? Velom-panontaniana ihany koa ny mponina ny amin’ny hoe, aiza ny tamberim-bidy azon’ny Faritra sy ny Kaominina amin’ny fitrandrahana fasimainty ao an-toerana ?
Natiora OTH
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.