Actualités

Tolagnaro Lehilahy iray hita faty teny Libanona


  • Alakamisy 25 Aogositra 2022

Lehilahy iray no hita faty tao Libanona , moron-dranomasin’i Tolagnaro omaly.

Raha araka ny tombatomban’ny manodidina dia mety natelin’ny ranomasina izy io nefa mety nisy namono ihany koa ka natsipiny tany anaty rano ny vatana mangatsiakany avy eo. Rehefa hita moa ny razana dia naterin’ny olona tao amin'ny «centre medical». Mbola tsy fantatra mantsy izay fianakaviany hatramin’ny fotoana nahazoanay ny vaovao omaly hariva. Eo an-daniny, tsy misy mahafantatra azy ireo nanatitra azy tamin’ny centre medival. Tsy nahitana karapanondrom-pirenena na izay mombamomba azy manokana ihany koa teny aminy fa tee-shirts miloko volon-tsokola, shorts miloko mainty, sac banane miloko mainty ary satroka mainty no hita teny aminy. Andrasana araka izany ny fianakavian’Itompokolahy. Manodidina ny 40 taona eo ho eo izy raha ny tombana.
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT