Actualités

Tolagnaro Hakatona ny Radio Josvah FM 90Mhz ?


  • Zoma 01 Febroary 2013

Mahoraka any Fort-Dauphin indray izao fa tadiavin’ny fanjakana hakatona ny Radio Josvah FM 90 mhz.

 Izany dia vokatry ny fampiantranoan’ity onjam-peo tsy miankina ity nisesisesy tao aminy ireo mpitarika ny Hetsika Fagnomba, nanao fanehoan-kevitra nahavoakitikitika ny lehiben’ny faritra Anôsy sy ny orinasa Fasimainty. Niainga tamin’ny fitakiana ny zon’ny vahoaka manana sisam-bola amin’ny QMM, izay ny lehiben’ny faritra no tondroin’ireo mpanao fihetsiketsehana ho sakana tsy nahazoan’izy ireo izany.

Ny faharoa kosa indray dia ny fanambarana nataon’ny mpitarika ny hetsika Fagnomba, Perle Zafinandro ny fitoriana miafina nataon’ny QMM ireo andian’olona tondroin’ity farany fa nanakorontana ny asany ka niteraka fantiantoka ho azy. Ny maha ara-dalàna na tsia ny filazana izany amin’ny onjam-peo aloha dia ny mpahay lalàna no mahafantatra azy fa ny azo lazaina dia tsy nisy niafina tamin’ny vahoakan’i Tolagnaro izay ketrehin’ny Fasimainty.

Fanitsakitsahana ny demokrasia

Voalazan’ny tompon’andraikitry ny Radio Josvah fa efa im-betsaka no nahazo fandrahonana ity onjam-peo tsy miankina voalohany mijoro any Tolagnaro ity. Marihina fa efa mihanika ny faha-18 taonany ny Radio Josvah, ary izy no azo lazaina fa be mpihaino indrindra any amin’iny Distrikan’i Tolagnaro iny, noho izy mandrakotra ny 96%-n’ny Distrika. Izao fiheveran’ny fanjakana ny hanakatona ity radio tsy miankina iray ity izao dia midika ho fanapenam-bava sy fanitsakitsahana ny demokrasia ary koa fanosihosena ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety sy ny fanehoan-kevitra malalaka, araka ny andininy faha-17 ao amin’ny tondrozotra rahateo.

Natiora OTH

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT