Mila hampiteny ny moana ny haloton’ny tanànan’i Tolagnaro. Saika ahitana fako sy loto avokoa ireo kartie 11 ao amin’ity renivohitry ny oratsimba ity.
Ny loto avy amin’ny olombelona efa tsy tenenina intsony. Ny fako vokatry ny zava-misy sy iainana andavanandro, miavosa etsy sy eroa. Miakatra ny fofona, indrindra taorian’ny ora-nikija tampoka ny herinandro lasa iny. Izay hatrany no iainan’ny mponina sy vantanin’ny mason’ireo mpitsidika ny renivohitry ny Faritra Anôsy tato anatin’ny volana maromaro izao. Nialoha ny saika hanatanterahana ny fifidianana Ben’ny tanàna ny desambra 2010 no nanaovan’ny tao amin’ny Kaominina sy ny fikambanana Faradofay Mandroso, tarihin’ny vadin’ny Filohan’ny Delegasiona manokan’ny Kaominina ambonivohitr’i Taolagnaro, hetsika hanadiovana ny tanàna. Hatramin’izao, nanjavona any izay hetsi-panadiovana natao laza masaka izay. Miandry izay mety ho tohiny ny rehetra. Izay eo ihany fa lasa fanariam-pakom-pokonolona koa amin’izao fotoana izao ny moron-dranomasin’i Tolagnaro : Ampotatsy, Ambinanikely, Amparihy ary Bazaribe.
Marihina fa nandray anjara mavitrika tamin’ny fanentanana ny mponina amin’ny tokony hanana toeram-panariam-pako sy lavapiringa ny ONG vahiny iray izay nanana ny foiben-toerany tao amin’ny kartie Ampotatsy. Nisy mihitsy aza toeram-pidiovana sy toeram-pivoahana iraisana naorina ary mba nisy fiovana nanomboka teo. Ny lesoka anefa tsy nisy ny fikarakarana rehefa nifindra kartie iasana ity ONG ity. Miverina indray ny loto. Raha izao no mitohy dia hihena na handositra, tsy harisika handalo an’ity renivohitra ity ireo mpizahatany. Tsy azo isalasalana ihany koa ny mety hisian’ny fiantraikany ratsy eo amin’ny fahasalaman’ny mponina.
ROM
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.