Tapaka avokoa ny fifamoivoizana ao an-drenivohitra Anôsy omaly alakamisy 31 janoary, nanomboka ny maraina. Miainga eo amin’ny Kaleta Hotel mihazo ny lalana Bazaribe, lalana midina any amin’ny Ladoany ka hatrany amin’ny Toby Miaramila (Camp Flacourt).
Ampahatsiahivina fa miditra amin’ny andro fahadimy tamin’io omaly io ny fidinana an-dalambe ataon’ireo vahoaka manana olana amin’ny QMM sy mitaky ny fanesorana amin’ny toerany ny lehiben’ny Faritra Anôsy, hetsika tarihin’ny Fagnomba. Tsy afaka niasa ireo mpiasan’ny Faritra. Nikatona niaraka tamin’ny Lapan’ny Faritra ireo biraon’ny sampandraharaham-panjakana manodidina ny kartie Bazaribe any an-toerana, toy ny biraon’ny Distrika, ny Fitsarana ambaratonga voalohany, ny paositra, ny Trésor sy ny maro samihafa. Nody avokoa ireo nanan-draharaha tamin’ireny birao ireny omaly.
Ny alarobia 30 janoary teo dia nisy ny fihaonana ankalamanjana nifanatrehan’ny filohan’ny Hetsika Fagnomba, Rtoa Zafinandro Perle sy ireo vahoaka miaraka aminy an-daniny, ary ny lehiben’ny Faritra Anosy Randriatefiarison Guillaume Vénance sy ireo mpiara-miasa aminy notemerin’ny mpitandro ny filaminana an-kilany, teo anoloan’ny tranoben’ny Antenimieran’ny Varotra ao an-toerana. Nanamafy ny fitakiany ny hialan’ny lehiben’ny Faritra amin’ny toerany ny mpitarika ny Hetsika Fagnomba.
Raha izay dia nametraka fepetra ny lehiben’ny Faritra fa mila manao sonia taratasy manaiky hampitsahatra ny fanenjehana azy mikasika ny volan’ny tany lasan’ny QMM hitrandrahany fasimainty, ny fampidirana mpiasa ary koa tsy hanelingelina ny orinasa Fasimainty. Tsy nahafaly ireo solontenam-pokonolona anefa ny fanazavany. Vao mainka manaporofo izao, hoy izy ireo, fa ny tombontsoan’ny orinasa no laharam-pahamehan’ny lehiben’ny Faritra fa tsy ny an’ny vahoaka very tany. Naharitra ora iray teo ny fifanatrehana saingy nirava maina ny alarobia, dia io nitohy tamin’ny sakan-dalana eran’ny tanàna io omaly tontolo andro.
Natiora OTH
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.