Tolagnaro

> Mitotongana ny lalampihariana fizahantany


  • Alakamisy 10 Oktobra 2013

Vokatry ny tsy fandriampahalemana noho ny asan-dahalo sy ny sakan-dalana amin’ny lalam-pirenena faha-7, faha-10 ary faha-13 dia nihena be ny isan’ireo mpizahatany tonga any Tolagnaro.

Mangina ireo toerana fandraisam-bahiny, ka fantiantoka iray lavaka ny an’ny mpandraharaha. Ny vola aloa amin’ny fanjakana anefa mihoapampana, toy izany koa ny saran’ny jiro sy rano miampy ny saran’ny antso an-tariby sy ny karaman’ny mpiasa. Very fanahy mbola velona koa ireo mpivarotra taozavatra malagasy fa ireo mpizahatany nantenaina hividy ny entana tsy misy, ny vola nividianana ny entana tany amin’ireo mpanamboatra ny asa tanana vita malagasy, mikatso. Tsy mamparisika ireo teratany vahiny ny mahita ireo vaovao ratsy miely amin’ny “internet” momba an’i Madagasikara, toy ny nitranga tany Nosy-Be farany teo. Raha tiana hiverina amin’ny laoniny ny tontolon’ny fizahantany, manana adidy sy andraikitra lehibe ny mpitandro ny filaminana.

 

 

Natiora OTH

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT