Tolagnaro

> Jerem-potsiny ny varotra paraky gasy sy fanafody an-kalamanjana


  • Zoma 06 Septambra 2013


Gaboraraka ! Io avy hatrany no mby ao an-tsaina raha mahita paraky gasy, fanafody, kapila mangirana hosoka amidy toy ny anana ao Tolagnaro tampon-tanàna ankoatra ny fahitana olona mifoka jamala na rongony tsy amin’ahiahy eny an-kalamanjana. Tamin’ny resadresaka nifanaovana tamin’ireo olona mivelona amin’ny famarotana paraky sy fanafody, dia tsy nisalasala izy ireo nilaza fa fantatr’izy ireo tsara fa tsy azo atao ny mamarotra saingy teren’ny tsy fisiana sy tsy fananana asa, indrindra ny fahasahiranana ateraky ny krizy no nanesika azy ireo hanao ity asa ity. Izay tombony kely azo no ividianana sakafo ho an’ny fianakaviana. Tsy nanafina koa izy ireo fa mba ahafahany mivarotra ankalalahana (?) dia tsy maintsy manolotolotra vola kely amin’ireo mpanaramaso mivezivezy eran’ny tsena.

 

 

Natiora OTH

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT