Actualités

Tolagnaro Andramena 50 isa hita tao anaty fotaka


  • Talata 09 Aogositra 2011


 Andramena na « bois de rose » miisa 50 eo, amin’ny 2,50m ka hatramin’ny 3m, no tra-tehaky ny mpiasan’ny ala sy ny tontolo iainana ny faran’ny herinandro teo. Tany anaty honahona feno fotaka no nametrahan’olon-tsy fantatra azy. Fanomezam-baovao nataon’ny tsara sitrapo no nahafantarana ny fisiany tao. Olona telo hatramin’izao no tratra ary anaovana fanadihadiana ao amin’ny tobin’ny zandary Tolagnaro manodidina azy ity. Fanindiminy amin’izao no nisy olona voarohirohy amin’ity hazo sarobidy ity, saingy mangingina any tsy hita marina izay tohiny. Sinema ve sa tena izy ity fahatrarana lava “bois de rose” ao an-drenivohitra Anôsy ity ? Io no fanontaniana apetraky ny olona. Ny fanadihadiana no ahafantarana ny tena marina.

 

Natiora OTH

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT