Actualités

Tokony hiatrika fitsarana Nalefa nitsoaka ilay minisitra teo aloha


  • Zoma 19 Aogositra 2011

Araka ny loharanom-baovao dia afak’omaly alina ihany dia nalefa nitsoaka any ivelany sahady ilay minisitra teo aloha tokony hiatrika fitsarana anio.

 Rehefa nahazo ny fiantsoana avy eny amin’ny Bianco ity minisitra ity fa tokony aterina eny amin’ny Fitsarana ny raharaha mahakasika azy miaraka amin’ny tenany sy ireo vavolombelona dia nikaroka hevitra mafy hialana eto an-tanindrazana avy hatrany ilay minisitra. Nahomby ny tetiny satria nihazo ny zotra Air France tamin’ny alarobia alina ny tenany. Noho ny resaka fanodikodinambola tao amin’ny minisitera notantanany teo aloha no nahavoakasika azy. Isan’ireo voaantso niaraka tamin’ity minisitra ity ihany koa ireo mpiasa tao amin’ny ministera. Tsy voalohany ny tranga tahaka izao rehefa misy olon’ny FAT antsoin’ny Bianco. Isan’ny resabe niely ihany ny mikasika ny manamboninahitra iray izay voaantso nefa tsy manaiky ny hatao famotorana. Tsotra mantsy no navalin’ity manamboninahitra ity fa tsy misy tokony hifanontany fa samy manao daholo. Resaka “bois de rose” moa no naha voatonotonona azy.

 

Mohamed

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT