Actualités

Tojo Ravalomanana “Mijoro aho !”


  • Alakamisy 03 Mey 2012

Manoloana ireo antsojay sy fingampingana isan-karazany natao sy atao aminy tato anatin’izay telo taona izay dia nisafidy ny hivoaka tamin’ny fahanginany ny orinasa Tiko, ka nampiantso mpanao gazety teny amin’ny Tiko Tanjombato, omaly alarobia 2 mey.

 Nitarika ireo mpitantana ity orinasa ity tamin’izany i Tojo Ravalomanana izay nanambara mazava hoe : «anio aho dia mijoro eto anatrehanareo, ary manambara fa tsy maintsy hitsangana indray ny orinasa Tiko ary hiverina eo amin’ny toerana izay mahamendrika azy ka hanohy ny fanasoavana ny mpiara-belona aminy, izay vahoaka Malagasy izy ireo”. Nohamafisiny fa ny fon’ny mpiasa sy ny fianakaviana ao amin’ny Tiko, dia efa ela no namela ireo izay nanimba sy nandoro ny Tanindrazana, ary efa feno fanantenana hibanjina ny hoavy. Niantso ny rehetra moa i Tojo Ravalomanana mba hiala amin’ny eritreritra valifaty, fankahalana, fampitahorana, fanenjehana, fa kosa hifandray tanana hanangana indray ny hoavin’ny Tanindrazana, ka ho tonga lesona ho an’ny taranaka faramandimby. Ary dia ny fahantrana no sisa fahavalo iadivana, izay iraisan’ny Malagasy rehetra.

Reharehan’ny Malagasy

Nandritra ity famelabelaran-kevitra omaly ity moa no nanambaran’ireo mpitantana ny orinasa Tiko fa tsy ara-drariny sady tsy ara-dalàna izao fanapotehana amin’ny endriny rehetra ny orinasa Malagasy Tiko izao. Heno siosio tokoa mantsy fa hoe hatao “saisie” ireo orinasa ao Antsirabe satria lazaina fa tsy nahaloa hetra. Mazava anefa araka ny zavatra nisy teo aloha fa ny ambadik’izay dia ny nandrava tanteraka toa ireo natao réquisition tao Toamasina indray koa. Nanamafy anefa ny mpitantana ny orinasa fa nanana ny toerany tamin’ny fanampiana ny Malagasy ny vondron’ny orinasa Tiko, izay nanana ny rantsany manerana ny Nosy, namelona mpiasa mivantana 3000 any ho any, namelona mpiara-miasa toy ny tantsaha mpamokatra ronono, voankazo, ….mihoatra ny 20.000. Ny Tiko ihany koa dia nanampy betsaka ireo tantsaha teo amin’ny famokarana, nanampy betsaka teo amin’ny famatsiana ireo entana fampiasa andavanandro (PPN) tamin’ny vidiny tena mirary ary nahamarin-toerana ny vidiny teo amin’ny tsena anatiny. Nanaovan’ny sasany angaredona anefa ny fanapotehana ity orinasa anisan’ny goavana indrindra aty Afika ity ary reharehan’ny Malagasy, dia ireny efa niaraha-nahita ny zava-niseho tamin’ny 26 janoary 2009 fa dia ny Tiko, Magro, MBS no tena lasibatry ny fandrobana sy ny fandorana. Tsy tongatonga ho azy ireny fa nisy antony mazava, araka ny fanambaran’ireto mpitantana ny orinasa ireto.

An-kolaka

Namaky bantsilana ny fanapotehana an-kolaka ity orinasa ity ihany koa ireo mpitantana ny Tiko omaly ka nambaran’izy ireo ny fomba nanatanterahan’ny fitondrana FAT izany : norobaina ny vary, menaka, lafarinina… izay fananan’ny orinasa Tiko. Ampitahorina sy ampihorohoroana amin’ny fomba rehetra ireo mpitantana sy mpiasa ao aminy. Natao "réquisition" ny orinasa tao Toamasina dia ny Tiko Oil Product, mpamokatra menaka sy ny MANA, mpamokatra lafarinina. Enjehina amin’ny fandoavan-ketra ny orinasa izay sady tsy manaraka "procédure" no tsy ara-drariny satria rehefa natao ny kajy dia mbola be lavitra ny sandan’ny vidin’ireo fahavoazana nihatra tamin’ny TIKO izay tokony haverin’ny fanjakana noho ny sandan’ny hetra izay takiana aminy. Mazava ho azy fa niteraka voka-dratsy ho an’ny orinasa izany ary vao maika nampitombo indray ny fahapotehana

Nopotehana ny firenena

Tsy nisy afa-tsy krizy sy fahasahiranana no nateraky ny fanonganam-panjakana tamin’ny 2009, ary tsy ny Tiko irery no nitondra faisana fa ny Malagasy sy ny firenena iray manontolo mihitsy. Nanome tarehimarika vitsivitsy sy nilaza tranga maro tamin’ny mpanao gazety ireo mpitantana ny orinasa Tiko mba hanaporofoana izany. Mahatratra 500 000 ny asa very, zaza miisa 750 000 no tsy tafiditra an-tsekoly intsony. Tsy mahaloa ireo vesatra ara-bola an-davanandro intsony ny tokantrano : hofantrano, fitafiana, sakafo…Manjaka ny tsy fandriam-pahalemana maro be ny famonoan’olona, tsy manana ny ho enti-mamokatra intsony ny tantsaha. Manjaka ny entana avy any ivelany izay sady tsy manara-penitra no lafo. Niala sy nisintaka ireo mpamatsy vola iraisam-pirenena.

Marobe ireo orinasa rava sy potika ary ireo voatery nakatona. Noho ireo tranga rehetra ireo, araka ny fanazavan’izy ireo ihany dia : tsy voafehy ary lasa nidangana ny vidin’entana indrindra fa ny PPN, tsy voafehy ny kalitao fa mitarika aretina mety mahafaty mihitsy aza indrindra ho an’ireo PPN : menaka, lafarina. Manjaka eto Madagasikara ireo vahiny manodina sy mampiditra entana fa ny Malagasy kosa voatosi-tanana. Voatampim-bava sy sofina ny vahoaka Malagasy tokony handroso noho ireo haino aman-jery nopotehina sy tsy avela hosokafana indray.

Resa-bola !

Fa namaky bantsilana ny zavatra nataon’ny mpitondra FAT tamin’ny Tiko kosa ny tale ara-bolan’ity orinasa ity, dia tsy iza moa izany fa Ratsimbazafy Faliniaina. Nambarany ary fa : “vantany vao nahazo fahefana ny FAT dia niaraha-mahita ny hazakazaka nanenjehany ara-ketra ny vondron’orinasa TIKO. Volabe tsy hita pesipesenina nefa tsy mitombina no terena haloan’ny orinasa amin’ny hetra”. Nohamafisiny ihany koa fa : “ny volana aprily 2009 dia nisy ny fanagiazana (réquisition) sy famarotana ny lafarinina, vary ary menaka an’ny vondron’orinasa TIKO tao Toamasina. Sady tapitra ny entana no nopotehina ny orinasa nefa tsy fantatra niditra taiza tamin’ny kitapom-bolam-panjakana ny vidin’entana.

Marihina anefa fa antoka (nantis) amin’ny banky ny entana sy ny akora nefa nohitsakitsahina ny zon’ny banky sy ny lalàna manan-kery ara-barotra». Araka ny fanazavan’ity tale ara-bolan’ny vondrona Tiko ity ihany koa dia : ny volana may 2009 dia nenjehina tamin’ny haban-tseranana tsy voaefa taloha ny orinasa. Marihina anefa fa efa nisy hatramin’ny faran’ny taona 2008 fifanantonana tamin’ny Direction des Douanes sy ny orinasa nijerena ny antony, nikajiana ny vola tokony hoefaina sy ny tetiandro hanatanterahana izany. Notsinontsinoavina izany fifanarahana izany fa avy hatrany dia nanao ATD (Avis aux Tiers Détenteurs) nalefa tamin’ny banky ka nosintonina ny vola no nanjary “bloqué”-ny kaonty rehetra. Teo koa ny “Notes de service” mandrara ny fivoahan’ny entana rehetran’ny orinasa no nihazakazahan’ny Ladoany.

Natao ny fangatahana famahana fa tsy novaliana vokany tsy fantatra mazava ny entana very sy simba ary midangana ny “surestarie” sy “magasinage”. Nampahafantarin’Atoa Ratsimbazafy Faliniaina, omaly fa : “misy ny didy hitsivolana laharana 260AG/12 tamin’ny 16 avrily 2012 lasa teo mandidy ny hanokafana ny orinasa ao Andranomanelatra sy Mahafaly, Antsirabe. Nanao fandavana na “opposition” ny orinasa araka ny zony. Tokony hanana iray volana amin’ny fiarovan-tenany ny orinasa nefa dia terena hivoaka rahampitso zoma 4 mey ny didy. Mipetraka ny fanontaniana fa inona no antony hihazakazahana sy hanitsahana ny zon’ny orinasa sy hidirana ao ? Araka ny siosion-dresaka aza, hoy ny tatitra omaly, dia efa nalatsaka avy any ambony ny didy tsy maintsy havoaka arahina fandrahonana ny tompon’andraikitra mitady tsy hanaraka baiko. Ankoatr’izay dia andro zoma hatrany no kasaina hamoahana didy. Mety misy indray ve tetika ambadika hidirana amin’ny orinasa amin’ny andro tsy fiasana ka hanapotehana sy handrobana azy indray toy ny natao tamin’ireo orinasa any Toamasina ?

Tombom-barotra 10%

Fa raha nandray fitenenana kosa i Andrianaivo Heritiana, Tale jeneralin’ny Magro dia nanamafy fa tsy araka ny resabe sy tsaho naparitaka tetsy sy teroa ny tombom-barotra nalain’ny Tiko hatramin’izay fa dia manodidina ny 10%. Nasiany tsindrim-peo manokana ny mikasika ny menaka ka nilazany fa : “nividy menaka 1400 dolara ny taonina, ny Tiko tamin’ny oktobra 2008 ary io no namidy 4000 Ariary ny litatra. Niaiky izy fa lafo izany ary efa nikaroka vahaolana niaraka tamin’ny fanjakana sy ny mpamatsy vola iraisam-pirenena ny tompon’andraikitra tao amin’ny Tiko momba io saingy, ny fikasana rehetra dia rava ny 26 janoary 2009. Ankehitriny eo amin’ny 1000 dolara ny taonina ny vidin’ny menaka tsy voadio, izany hoe mora kokoa noho ny tamin’ny 2008, kanefa dia mananiky ny 5000 ka hatramin’ny 6000 Ariary ny iray litatra amin’ny menaka eny an-tsena, ny kalitao amin’izany dia ambany dia ambany mba tsy hilazana hoe rasty sy mamono olona mihitsy.

Tena tapa-kevitra ny tsy hanaiky ho lembenana ny mpitantana ity orinasa noforonin’Atoa Marc Ravalomanana ity ary manome fanamby fa tsy maintsy hiverina hiodina sy hiasa ary hanampy ny miara-belona aminy ny Tiko, izay orinasa tena Malagasy, mitsinjo ny Malagasy, ary afaka mifaninana tsara ain’ireo orinasa vahiny.

 

Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT