Actualités

Tofoka amin’ny kitoatoa Manomana hetsika ny mpiasan’ny ACM


  • Alarobia 20 Janoary 2021

Mikonokonona grevy ny mpiasa eo anivon’ny ACM (Aviation Civile de Madagascar)

 

amin’izao fotoana izao. Variana miaro ny sezany sy ny tombotsoany ny Tale Jeneraly fa tsy mijery intsony ny ho avin'ny orinasa, hoy izy ireo. Potika tanteraka ny orinasa satria tsy misy mandeha amin'ny laoniny ny asa; voateny etsy sy eroa ny ACM; ny lafiny ara-tsosialy sy ara-ekonomikan'ny mpiasa tsy voahaja intsony (tsy misy azo mihitsy ireo tombotsoa rehetra voalaza ao amin'ny “convention collective”. Ny tale Jeneraly dia tsy manana fahalalana amin'ny lafin'ny teknika momba ny “aviation” sy ny fitantanana orinasa (ara-bola sy lalàna), hoy hatrany ny fanazavana. Noho ireo antony rehetra ireo dia mametraka fanontaniana ny mpiasa hoe ahoana ihany no mbola mijanona eo amin'ny toerany eo ihany ny Tale Jeneraly kanefa efa betsaka ny zavatra nahavoarohiroy azy eny amin'ny PAC? Hoy ireo mpiasa. Fehiny, tsy hijanona amin'ny hetsika izay ataony ny mpiasa raha tsy mivaha izao olana izao, hoy izy ireo. Ny teny amin’ny foibe teto teto Antananarivo omaly, voalaza fa  nirohatra nankao ao Tale Jeneraly nanontany hoe: fa tena ahoana ny fandehan-draharaha. Tsy mbola misy sy vaovao sy akony firy aloha ny momba an’io. Anio alarobia, hanamafy ny fitakiana ny mpiasan’ny ACM eny Ivato, raha ny loharanom-baovao. Ambony ambany izany ny ao amin’ny ACM, raha ny fitantaran'ny mpiasa. Ny tombotsoa efa tapaka, ilay orinasa voahoso-potaka, ny mpitantana be afera mbola eo amin’ny toerany ihany, ka izay no tena mahaketraka anay, hoy ireo mpiasa.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT