Actualités

Toetry ny andro Mitombo hery hatrany ilay rivodoza Emnati


  • Alatsinainy 21 Febroary 2022

Tany amin’ny manodidina ny 657 km atsinanana somary avaratra-atsinanan’i Toamasina ny ny foiben’ny rivodoza Emnati omaly alahady 20 febroary tamin’ny 4ora tolalandro.

 Nitombo hery hatrany i Emnati ka lasa « Cyclone Tropical Intense », nitombo ho 175km/ora ny rivotra entiny, izay arahina tafiotra 245km/ora, hoy ny Météo Madagascar. Mikisaka miakandrefana somary Atsimo Andrefana izy ka mahafaka 11 km/ora. Manambana ny morontsiraka Antsinanana ity rivodoza ity, ary mbola tsy miova ny vinavina hidirany an-tanety rahampitso talata 22 febroary, eo anelanelan’i vatomandry sy Manakara amin’ny tanjaka« Cyclone Tropical Intense » na rivodoza mahery vaika (170km/ora. Mbola manakery hatrany ny filazana loza voarain’ireo faritra sy distrika naharay izany: Filazana loza manambana miloko mavo: BRICKAVILLE, VATOMANDRY, MAHANORO, ANTANAMBAO MANAMPOTSY, MAROLAMBO, VATOVAVY, FITOVINANY ary ATSIMO ATSINANANA. Filazana fanairana miloko maitso: ANALANJIROFO, TOAMASINA I-II, ALAOTRA MANGORO, ANJOZOROBE, MANJAKANDRIANA, ANTANANARIVO AVARADRANO, ANDRAMASINA, VAKINANKARATRA, AMORON'I MANIA, MATSIATRA AMBONY, IHOROMBE ary ANOSY. Iangaviana araka izany ireo mponina voakasiky ny filazana mba hanaraka tsara ny toromarika omen’ny manam-pahefana eny ifotony, hoy ny toromarika. Hikorontana ny toetry ny andro any an-dranomasina amin’ny morontsiraka Atsinanana noho ny alon-drano vaventy aterak’i Emnati, hoy hatrany ny Météo Madagascar.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT