Tsy mbola nivoatra firy ilay andro ratsy ao amin’ny Ranomasimbe Indiana tato anatin’ny 24 ora.
Malefaka hatrany ny heriny satria eo anelanelan’ny 35 sy 46km/ora ny rivotra entiny. Any amin’ny manodidina ny 1515km Avaratra atsinanan’Antalaha no nisy ny foibeny omaly tamin’ny 04 ora tolakandro teo, hoy ny fampitam-baovao tamin’ny 06ora hariva. Tombanana hikisaka miakandrefana hatrany ity andro ratsy miforona ity amin’ny ankapobeny ka hanantona miadana an’i Madagasikara. Hivoatra hatrany izy ary hitombo hery miandalana ato anatin’ny dimy andro ho avy, hoy Sampana mpamantatra ny mety ho toetry ny andro. Tombanana hahakasika ny faritra Sava sy Analanjirofo aorian’ny fetin’ny Noely. Mbola sarotsarotra ny hanome vinavina raikitra mahakasika ny fivoarany. Entanina sahady anefa ny mponina amin’ny faritra : DIANA, SAVA, ANALANJIROFO ary ATSINANANA mba hanaraka ny vaovao ofisialy mikasika ny toetry ny andro manomboka izao satria mety hitondra fikorontanana izy ity amin’ny fiafaran’ny herinandro, hoy hatrany ny sampan mpamantatra ny mety ho toetry ny andro.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.