Actualités

Toetry ny andro Ahiana hahery vaika ny rivodoza Emnati


  • Zoma 18 Febroary 2022

Nivadika ho rivodoza omaly maraina ilay andro ratsy tao amin’ny ranomasimbe Indiana ka nomena ny anarana hoe “EMNATI”. T

any amin’ny manodidina ny 1969 km atsinanan’i Sambava no nisy ny foibeny omaly tamin’ny 3ora tolakandro. Mahatratra 85 km/ora ny rivotra entiny, izay arahina tafiotra 120 km/ora. Mikisaka miakandrefana izy ka mahafaka 20 km/ora, izany hoe ao anatin’ny sokajy “Cyclone tropicale intense”. Miakandrefana na andrefana somary atsimo andrefana hatrany izy hatramin’ny alahady ka hanakaiky ireo Nosy rahavavy. Hitombo hery miandalana izy mandritra izay fotoana izay. Tsy mbola hisy fiantraikany amin’ny toetry ny andro eto Madagasaikara ny fisiany hatramin’ny faran’ny herinandro, saingy ahiana sahady ny hisian’ny fikorontanana eny an-dranomasina ho an’ny morontsiraka atsinanana, hoy ny Météo Madagascar omaly maraina. Hisy fiakarany kosa ny maripana ato anatin'ny telo andro ho avy, araka ny fampitam-baovao omaly tolakandro.
HITOVITOVY AMIN’NY LALAN’I BATSIRAI…
“Mitovitovy amin’ny làlan’i Batsirai ny mety ho làlany. Ireo faritra efa dibo-drano, dia efa narefon’i Batsirai sy Ana, ka orana fotsiny dia efa mety ho olana ben y fiantraikany satria tsy ho zakan’ireo faritra ireo intsony ka tsy maintsy hiomanana”, hoy kosa ny eo anivon’ny Biraom-pirenena misahana ny loza sy ny tandindon-doza na ny BNGRC. Ny 21 na 22 febroary no mety ho tafiditra eto Madagasikara. Isan’izany i Mahanoro, Maroantsetra, Soanierana Ivongo, Alaotra Mangoro, Anosibe an’Ala, Analamanga,… Nomarihina fa mbola any anaty ranomasina aza izy efa “Cyclone Tropicale intense”, ka ahiana hiakatra ambonin’izay. Mbola maherin’ny 140 000 anefa ireo traboinan’i Batsirai.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT