Actualités

Toetr’andro Miala any ny oram-baratra


  • Talata 08 Desambra 2020

Oram-baratra sy tafiotra ny tany Ambatolampy Faritra Vakinankaratra omaly tolakandro.

 

 

Tafon-trano maro ravan'ny rivotra, ka isan'izany ny an'ny Lisea tsy miankina iray, maro ireo zavatra simba sy nianjera indrindra manodidina ny lalam-pirenena faha-7, hoy ny fampitam-baovao. Tany Fianarantsoa ihany koa dia namely mafy ny orana, tao an-dRenivohitra, ka dibo-drano ny tanàna. Andro maro izay no maina tanteraka tany an-toerana ka nijaly rano tokoa ny mponina, hany ka faly sahirana teo anatrehan’ny zava-misy.

 HANORAM-BARATRA ETO ANALAMANGA…

Ho an’ny anio 8 desambra kosa, araka ny vinan’ny sampana mpamantatra ny mety ho toetry ny andro, dia hanorana tandrifindrahona ny maraina any Sambirano, Morondava , Belon'i Tsiribihina, Mahanoro, Vatovavy Fitovinany ary Atsimo atsinanana. Handrahona na handrahona mitsitokotoko any Toamasina, Mangoro, Analamanga, Itasy, ilany antsinanan'i Vakinankaratra, Amoron'i Mania, Matsiatra Ambony, Ihorombe. Handrahona vitsy ny faritra sisa. Ny tolakandro kosa dia hanoram-baratra eto Analamanga, Itasy, Bongolava, Vakinankaratra, Amoron'i Mania, Melaky, Menabe, Boeny, Betsiboka, ilany andrefan'i Sofia sy Diana. Hanorana tandrifindrahona indraindray any Fianarantsoa, Atsinanana, Alaotra Mangoro, Vatovavy Fitovinany, ilany atsinanan'i Sofia. Handrahona mitsitokotoko any Sava, ilany atsinanan'i Diana sy Analanjirofo. Handrahona vitsy na ho maina ny andro any Atsimo Andrefana, Ihorombe, Androy, Anosy, tapany atsimon'ny faritra Atsimo Atsinanana.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT