Telo andro hatramin’ny omaly no nisian’ny ranon’erika manify teto an-drenivohitra izay mandrafitra ny toetr’andro eto amintsika.
Vokatry ny tanjak’ilay varatraza raha araka ny fanazavana azo teo anivon’ny sampana mpamantatra ny toetr’andro eny Ampandrianomby no antony mahatonga izany izay mbola hitohy hatramin’ny anio talata 14 septambra. Mila miomana amin’ny akanjo hanaovana sy ny fanamiana mifandraika amin’izany araka izany ny rehetra hiarovana ny aretin’ny taovam-pisefoana sy ny gripa mahery, tranga mety haneho ny fisian’ny valan’aretina Covid 19 ihany koa. Na izany aza dia hanombola hiakatra kosa ny maripana anio folakandro raha mbola hahazo vahana kosa ny hatsiaka sy ny orana any amin’ny faritra SAVA, Analanjirofo ary Atsinanana.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.