Eo anelanelan’Antalaha sy ny nosy sainte Marie ny talata alina izao ny rivodoza Dumako.Raha ny omaly alahady dia tany ho any amin’ny 1083 km atsinanana somary avaratra atsinanan’Antalaha
no nisy ny foiben’ity andro ratsy ity izay efa voasokafy ho Depression Tropicale. 55 km/ora ny rivotra miaraka aminy, arahina tafiotra 70 km/ora. Mikisaka miakandrefana somary Atsimo Andrefana izy ka mahafaka 19 km/ora.. Hikisaka hanantona ny morontsiraka Avaratra na afovoany Atsinanana izy ka efa mihatra amin’ireo faritra sy distrika manaraka ireto ny loko maitso loza fanairana : DIANA, SAVA, ANALANJIROFO, TOAMASINA I-II, VOHIBINANY(Brickaville). Mila manaraka vaovao tsara ny mponina amin’ireo toerana voatonona ireo mba hahafatarana ara-potoana ny tokony hatao; efa azo antoka ny orana aloha na dia tsy mbola voafaritra mazava tsara aza ny sokajy misy an’ity rivodoza ity. Ny faritra avaratra atsinanan’ny nosy izany dia efaa mila miomana, faritra be rano sy hazo izany toerana izany , no maro trano falafa sy trano vita amin’ny hazo fotsiny .
ENCADRE
Amin’ity volana febroary ity dia mbola mitoetra ny fepetra hisiana fiforonana rivodoza ao amin’ny ranomasimbe Indiana. Mandritra ny tapa-bolana voalohany dia ahiana mafy ny hisian’ny rivodoza hahakasika an’i Madagasikara. Mandritra ny tapa-bolana faharoa kosa dia ambany ny fanahiana amin’ny hisian’ny rivodoza mety hahakasika an’i Madagasikara.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.