Actualités

Toetr’andro Hiakatra kely ny maripana amin’ity herinandro ity


  • Alarobia 27 Jolay 2022

Samy nahatsapa hafanana kely avokoa isika teto an-drenivohitra sy ny manodidina nanomboka afak’omaly alahady.

Mbola hitohy hatramin’ny faran’ity herinandro ity izany raha araka ny fanazavana azo teo anivon’ny sampana mpamantatra ny toetr’andro etsy Ampandrianomby. Ho an’ny eto afovoan-tany manokana dia hiakatra eo anelanelan’ny 10 ka hatramin’ny 20°C izany hafanana izany. Hiakatra 6 ka hatramin’ny 18°C kosa ny any amin’ny Faritra Vakinankaratra izay efa nahitana ilay 0 degre nisy lagilasy raha 30 ka hatramin’ny 33°C izany any amin’ny faritra mafana toa an’i Bongolava, Mahajanga…Ankoatra ny maha andro ririnina izao vanim-potoana iainantsika izao moa dia anisan’ny mampiovaova ny toetr’andro tahaka izao ihany koa ny fahasimban’ny tontolo iainana vokatry ny hetraketraky ny olombelona. Na izany aza dia hiverina ao anatin’ny aty ririnina indray isika manomboka amin’ny herinandro ho avy io.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT